Hanampy ny mpanjifa amin’ny fandoavam-bola samihafa ataony ny tolotra vaovao “Ampio-S” ataon’ny Orange Money Madagascar sy ny Sipem Banque.
Namoaka tolotra vaovao « Ampio S » ny Orange Money Madagascar sy ny Sipem Banque. Vahaolona ahafahan’ireo mpanjifa mameno ny vola ao anatin’ny kaontiny sy hividianany tolotra na koa hanaovana fandoavam-bola samihafa raha sendra tsy ampy ny toe-bolany. Afaka misitraka azy io avokoa ireo mpanjifa efa nampiasa tolotra Orange Money tao anatin’ny enim-bolana fahafahakeliny. Vahaolana haingana ho an’ny rehetra ity tolotra vaovao hiarahan’ny Orange Money sy ny Sipem Banque ity. Azo aloa tsikelikely hatramin’ny 30 andro ny vola nindramina miaraka amina zana-bola 0,5% monja isaky ny mampiasa izany. « Natao ho an’ny mpanjifa Orange Money feno 18 taona ny tolotra ary tsy manana trosa amin’ny M Kajy sy M Baobab», hoy ny tomponandraikitry ny Orange Money, Rabenivahy Maholinira, omaly, nandritra ny fampahafantarana izany tetsy amin’ny Orange Digital Center Soarano.
Manampy
Manamora ny fifanakalozam-bolan’ny rehetra, na an-drenivohitra na ambanivohitra, ny Orange Money amin’ny alalan’ny teknolojia ampiasainy sy ny tambajotra midadasika ananany. Manohana ireo mpandraharaha sy orinasa tena madinika sy salantsalany (TPME) ihany koa ny Sipem Banque amin’ny alalan’ny famatsiam-bola ataony ho fampiroboroboana ny toekarena.
Marihina fa finiavana iraisan’ny roa tonta izao fiaraha-miasa izao hanohanana sy hanampiana ny Malagasy amin’ny fandoavam-bola tsotra sy mora ary azo antoka.
Ankoatra izay, maro samihafa ny tolotra ataon’ny Orange Madagascar ho an’ny mpanjifa, ho an’ny fampiatiana ara-bola sy hampiroboroboana ny toekarena ary ny fampandrosoana ny tontolon’ny fandraharahana amin’ny alalan’ny tolotra omeny sy ny fampiasany ny haitao ara-kajy mirindra.
Henintsoa Hani