Vehivavy iray mpanampy an-trano nangala-jaza, tratran’ny fokonolona teny Mandegny, kaominina Maroambihy, afakomaly. Hita niaraka taminy ny zazakely iray nanaovana fampilazana fa very tao amin’ny fokontany Antanifotsy, Sambava, ny 25 marsa teo. Tonga nandray andraikitra avy hatrany ny polisy taorian’ny tranga. Efa nosamborina sy nanaovana fanadihadiana izy io.
Nisy mamba mirefy roa metatra nirenireny tao amin’ny fokontany Ambalanomby, afakomaly tamin’ny 08 ora maraina. Nampandre ny kaomisaria foibe Morondava mahakasika ny tranga ny sefo fokontany. Tonga teny an-toerana ny Polisim-pirenena nandray andraikitra sy nifehy ilay biby. Napetraka amin’ny toerana azo antoka io voay io mandra-pahatongan’ny manam-pahefana avy amin’ny fitaleavam-paritry ny jono.