Tsy fanjarian-tsakafo : Manohana ny Unicef ny Fondation Axian

Natao omaly, teny Andraharo, ny fanaovan-tsonia ny fanohanan’ny fondation Axian ny asan’ny Unicef, handraisana an-tanana ireo zaza tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo any Atsimo. Nanolotra vola mitentina 100 000 dolara ny fondation. Ahafahana mikarakara zaza 5 000 (enim-bolana hatramin’ny 59 volana) voan’ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika lalina izany. Tafiditra anatin’ny hetsika “Child Nutrition Fund (CNF)” hanampiana ny firenena iharan’ny tsy fanjarian-tsakafo, ka anisany i Madagasikara, izy ity. “Hitombo avo roa heny koa ny sorabola natolotry ny Fondation vokatr’izany”, hoy ny solontenan’ny Unicef eto Madagasikara, i Christine Jaulmes.
Hividianana sakafo sady fanafody « plumpy nut » mahatratra 3 000 baoritra hitsaboana ny ankizy tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo ny vola. Eo koa ny fanaraha-maso tsy tapaka ny fahasalaman’ireo zaza raisina an-tanana miaraka amin’ny fitiliana mitohy. Any Atsimo, latsaky ny 5% ny tahan’ny zaza 6-23 volana mihinana sakafo sahaza azy ka mitarika ny fahatongavana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo, satria 86% ny tokantrano tsy afaka misitraka sakafo mahavelona.

Vonjy

Partager sur: