Miisa 35 ny jiro Cobra azon’ny tampon-tananàn’i Sambava, ary 10 ho an’ny kaominina Ampanefena. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa Hazavana ho an’ny daholobe ity hetsika ity, hampitomboina avo roa heny ny tahan’ny fisitrahana herinaratra eto Madagasikara amin’ny taona 2030. Miahy azy ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo.
Mahatratra 20 ha ny velaran-tany hambolena hazo any amin’ny kaominina Ankaramena, faritra Anosy. Tafiditra ao anatin’ny fanamarihana ny « Andro iraisam-pirenena ho an’ny ala » ity hetsika ity. Nohamafisina ny rehetra amin’ny tsy maintsy hanaovana ho laharam-pahamehana ny fanaraha-maso ny zana-kazo nambolena.
Hatao any Toliara, ny 17, 18 ary ny 19 avrily ho avy izao ny Fihaonamben’ny tanora afrikanina ho an’ny toekarena manga, andiany faharoa. Miahy ny fikarakarana azy ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga, ka nisy ny fivoriana natao tany Toliara, niarahana tamin’ireo orinasa tsy miankina, mba hampahomby ny hetsika.
Nanolotra fitaovana informatika ny vondrom-piarahamonina any Toamasina II ny orinasa Ambatovy ho tohin’ny efa natao, ny taona 2024. Miisa 7 ny « imprimantes », ordinatera 2, nomena ny febroary 2025 teo. Anisan’ny nisitraka ny fanomezana ny distrika Toamasina II, ny sekoly ambony sasany, ny Fitantanam-paritry ny rano Atsinanana, sns.