« World Cola PFL » : Hanokatra ny lalao ny fihaonan’ ny CFFA sy ny AS Fanalamanga

Hiatrika lalao avy hatrany, amin’ny faran’ny herinandro ho avy izao, ireo klioba rehetra mifaninanana amin’ny “Pureplay Football League (PFL)”.

Hiverina amin’ny faran’ny herinandro ny tohin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra “World Cola PFL”. Anisan’ny lalao tena andrasan’ny maro, amin’ity, ny fifanandrinan’ny CFFA Ando­haranofotsy sy ny AS Fana­lamanga, izay hotanterahina any amin’ny Kianjan’­Ambatondrazaka, ny alahady ho avy izao. Heverina ho toy ny famaranana kely ity fihaonan’ny laharana voalohany sy faharoa ity. Ny ekipan’ny AS Fanalamanga, mitana ny lohany, manana isa 13, ary ny CFFA kosa no manaraka azy ao, mitana isa 11.

Ankoatra izay, amin’ny maha fifaninanam-pirenena azy ity, efa misy ireo mpilalao hita nisongadina sahady nandritra ny andro enina efa lasa izay. Anisan’izany i Pascal, lohalaharan’ny AS Avenir Ste Anne. Raha ny fikarohana natao, mitarika vonjimaika amin’ny mpampiditra baolina betsaka indrindra ity lohalaharan’ny As Avenir Ste Anne ity. Tsiahivina fa niatrika lalao efatra ny tenany tamin’iny andro enina ny fifaninanana efa vita iny. Marihina fa sambany i Pascal sy ny ekipany vao niatrika ity fifanintsanana “World Cola PFL” ity. Ny lohalaharana tahaka itony moa no azo heverina hanana ny hoaviny sy hampisongadina ny ekipa nasionaly malagasy, ka tokony hojeren’ny federasionina akaiky.

Ireo fandaharan-dalao rehetra amin’ny faran’ny herinandro io:
Sabotsy 29/03/2025
Kianja Antanikatsaka Itaosy
2 ora : Ajesaia vs Uscafoot
Kianja Ambohidratrimo
2 ora : FC Rouges vs Fosa Juniors FC

Alahady 30/03/2025
Kianja Ambatondrazaka
2 ora : AS Fanalamanga vs CFFA
Kianja CFFA Iavoloha
2 ora : AS Avenir Ste Anne vs Elgeco Plus
Kianja Imerintsiatosika
2 ora : Mama FC vs Tsaramandroso FC

Fitia Randria

Partager sur: