Nohavaozina herintaona indray ny fiaraha-miasa eo amin’ny 67 City FC sy ireo mpanohana azy, dia ny Havana Resort sy ny Nouvelle institution de microfinance (NIM Madagascar). Notanterahina ny alakamisy lasa teo, tetsy Ambohidahy, ny fifanaovan-tsonia teo amin’ny telo tonta. Nanatanteraka izany, Andriantsima Faneva Ima, filohan’ny 67 City FC sy Harizaka Rakoto, avy amin’ny NIM ary Radida Harivola Jeremia, tale jeneralin’ny Havana Resort. Notsiahivin’ny mpitantana ny klioba fa nanomboka ny taona 2022 ny fifanohanana sy ny fifanomezan-tanana ary ny fiaraha-miasa teo amin’izy ireo. Resy lahatra ireo mpanohana ireo fa matotra ny klioba ary nanaporofo izany ny fahamaroan’ireo kilonga beazina ao, ka nisy ireo efa lasa nila ravinahitra any ivelany.
Ankoatra izay, nambaran’i Faneva Ima fa zava-baovao ao anatin’ny fandaharanasan’ny 67 City FC ny hitiliana ireo ankizy mendrika sy mahay baolina sy fianarana ka afaka Bakalorea, ka homena vatsim-pianarana atsy La Réunion, ao amin’ny Club St Joseph. Raha toa ka tsy misy ao anatin’ny klioba izany dia hisokatra ho an’ny klioba hafa eto an-dRenivohitra. Ankoatra izay, nampahafantarina ihany koa ny fanamiana vaovaon’ny klioba izay mankalaza ny faha-10 taonany. Tsy havela handalo fotsiny izany tsingerin-taona izany fa hisy hetsika maroloko hanamarihana azy.
Fitia Randria