Fahamarinan-toerana politika? Lazain’ny mpandinika sasany fa misy sy iainana izany amin’izao. Manana ny maro eny anivon’ny parlemanta, ohatra, ny mpitondra. Eny, hatrany ifotony aza izany, raha jerena ny fifandanjan-kery amin’ireo olom-boafidy eny anivon’ny kaominina. Tsy misy na tsy atahorana ny asa fampandrosoana amin’ izany? Eny, na tsy mitsaha-mitabataba amin’ny fitsikerana izay mitranga sy atao rehetra aza, ohatra, ny mpanohitra. Raha tsy manao izany izy no hafahafa? Amin’ny lafiny iray, tokony hanatsara zavatra sy hampandroso ny asa ny fanakianana. Hahalalana izay tsy mety sy izay tokony hahitsy izany, rehefa tsy manakorontana sy mandrava efa.
Laingalainga, tokony handeha haingana sy hivaingana ny asa fampandrosoana, rehefa tsy misy manelingelina na manakan-dalana. Tsy ahina sy tsy atahorana izay, raha ny fifandanjan-kery politika no jerena? Na izany aza, lehibe sy maika tsy azo atao ambin-javatra sy ambanin-javatra ny asa fampandrosoana. Andaniny, mangina ho azy ny mpanohitra rehefa tena manatanteraka izay nampanantenainy ny vahoaka ny mpitondra. Mila miatrika sy manomana ny fifidianana ho avy izay te hitondra, raha mafy sy marin-toerana amin’ny ataony ny mpitondra. Ankilany, tsy azo amin’izay karazana famendrofendroana sy fanakiviana hirahirain’ny mpanohitra lava ny vahoaka, raha tena misitraka fampandrosoana: fihatsaram-piainana. Ho saro-piaro amin’ny fitondrana aza izy amin’izany.
Ilaina àry zava-dehibe ny fahamarinan-toerana politika: mampisy filaminana iatrehana ny ankehitriny, hiantoka ny hoavy. Fa ny asa atao sy vita amin’ny fampandrosoana no tsikalana tsy hampitsingevana na hampitongilana an’izay. Aiza ho aiza? Eo ny vahoaka mahita sy mitsara izay iainana isan’andro mandavantaona…
R. Nd.