« Bapampaglady Be »: Nampiakatra avo ny lentan’ny fampisehoana i Rossy

Seho roa, hotsaroan’ireo niaina azy mandrakizay ny “Bapampaglady Be”. Mbola ilay Rossy matihanina amin’ny mozika, manao fanamby goavana sy avo lenta no nitarika ny namany nahatontosa seho avo lenta.

Sehatra intelo mihantoana, manerana ny ilan’ny lapa. “Ecran” nanemitra ny sehatra efa ho 15 metatra, izay vao mainka nanasonga­dina ireo mpanakanto. Kila­laon-jiro sy fanamafisam-peo raitra sy manaraka ny teknolojia. Izay no nisintona ny maro avy hatrany ho an’ireo niditra ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena, nianoka ny “Bapampaglady Be” nentin’i Rossy sy ireo namany, ny zoma sy ny alahady teo.
Lafatra. Izay nanatrika ni­vantana ihany no tena niaina ilay fihetseham-po tanteraka. “Mbola hafa i Rossy e!”. Saika izay avokoa no heno teny am-bavan’ireo mpankafy. Rakotra fankasitrahana an’i Rossy sy ny namany ary ny RDJ izay nikarakara ny tambajotran-tserasera nandritra iny faran’ ny herinandro iny. Samy lany avokoa ny tapakila nandritra ireo seho roa, ary nifanoto­fana toa izany koa ny fanarahana mivantana ny seho tao amin’ny “Sehatra.com”.
Hafa foana tokoa i Rossy. Nalefany nialoha ny tena seho ny “kadoa”, ho an’ireo mpijery tonga mialoha sy nentina niandrasana ireo taraiky noho ny fitohanan’ny lalana. Ny dobok’amponga narahin-ka­bary kosa no tena nanomboka ny seho. Nanomboka teo ny horakoraky ny mpijery, izay tsy nifarana raha tsy adiny 5 ma­hery taorian’ny nanombohana.
Notsongatsongain’i Rossy ireo hirany nalahatra, saingy ireo natao dia nanamarika vanim-potoana niavaka tamin’ ireo mpankafy avokoa. “Mba­rakaly”, “Ikalasoa”, “Hafatra”, “Mahatsiaro”, “Anamalaho”, “Tsy ampy fitia”, “Raha tena tianao”, “Bal kabaosy”, “zanadrazana” sns. Namerina ny maro tany amin’taona maro nivalona narahina fahatsiro­vana mitoetra izany.
Rossy mpampitambatra… Mbola voamarina indray io, nandritra ireo seho roa ireo. Nanokana fotoana nanomezam-boninahitra ireo namany mpanao mozika izy, nampiakarany an-tsehatra indray an-dry Zopanage, Tianjama, Oza Jerôme, Dada Samy Mala­gasy, Pros’Hely, Ejema, sns. Teo koa ireo zandriny toa an-dry Tsiliva sy Bagzana. I Ma­mibe izay tsy niala an-tsehatra nanao ny gitara rehetra, ary i Gothlieb izay nanampy teo amin’ny feo ihany koa. Notsa­roana manokana ihany koa na ireo efa lasa aza, toa an’i Tata Rahely. Tsy nohadinoan’i Rossy ireo hira masina, fameriny miaraka amin’ny bapampa. Mazava loatra fa nanana ny toerany ny vakisôva izay ni­taiza ity mpanakanto ity.
Ny manaraka? Hiverina amin’ity taona ity koa ny “Tapô­lakaglady”. Ho taonan’i Rossy ny 2025.

Zo ny Aina

Partager sur: