Famaranana ny volana Ramadany : Nampiray ny mpino silamo ny minisitra Moustapha Abdulah

Tsy mbola nisy ny fotoana nahafahan’ny mpino silamo niara-namarana ny volan’ny Ramadany. Tanteraka anefa izany, omaly, tetsy Mahamasina. Nitarika izany ny minisitra Marson Moustapha Abdulah.

Nifarana ny volana ramadany ho an’ny mpino silamo. Nanamarika izany ny teto Madagasikara. Nisy ny hetsika maro notanterahina manerana ny Nosy. Nisantarana ny fampitsaharana ny fifadian-kanina ny tao amin’ny Radisson Blue, Ambodivona, tamin’ny sabotsy lasa teo. Nanome voninahitra ny lanonana ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Nambarany tamin’ny lahateniny fa ho mpanohana sy ho mpiaro ny mpino silamo izy. “Ny fahasamihafantsika no harena”, hoy izy. Mbola nanome toky amin’ny fanamafisana ny fiarahan’ny fanjakana miasa amin’izy ireo ihany koa ny filoham-pirenena.
Nitondra ny tenin’ny mpino, ny filohan’ny fikambanan’ny silamo eto Mada­gasikara na ny FSM, Abdoul Hady. Nitatitra ny asa sosilay vitan’izy ireo nandritra ny volana fifadian-kanina izy, toy ny famahanana olona 500 isan’andro tao amin’ny kaominina 13 teto an-dRenivohitra sy ny manodidina. Namanafy izany ny Cheik Haniphe Akbaraly, izay nitatitra ny fananganana sekoly, toeram-pitsaboana ary fampidirana rano madio fisotro.

Fampiraisana
Sambany tamin’ity taona ity no nanomana hetsika niraisana ny mpino silamo teto an-dRenivohitra. Tsy nijerena antoko na zana-tsampana izany, fa vory lanona tao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina, Maha­masina izy ireo, omaly. Angady nanana sy vy nahitana izany ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, Marson Moustapha Abdulah.
Nisy ny kabary nifandimbiasana, izay nampifangaroana tamin’ny fandalinam-pinoana. Nisy ihany koa ny seho nataon’ny ankizy mpianatra sy mpanadala ny finoana islamo.
Nasongadin’ny minisitra tamin’ny lahateny izay nataony, omaly, fa zava-dehibe ny fanambarana ny mpino ho iray. Izay rahateo no hery hoenti-mivoy sy manely ny finoana. Nisaotra manokana ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, sy ny Praiminisitra Ntsay Christian izy amin’ny fanomezan-danja ny finoana islamo amin’izao fotoana izao.
Nisy ny fizarana sakafo sy fanomezana ho an’ny mpino nanatrika ny fotoana, omaly.

Mino

Partager sur: