Notokanan’ny filohan’ny Repoblika tao Moramanga, ny Akany Fiadanantsoa handraisana an-tanana ireo mpiady tia Tanindrazana, akanga sisa nanamborana sy ireo zokiolona mihoatra ny 65 taona. Hisy fizaham-pahasalamana sy fizarana fanafody maimaimpoana ho azy ireo, ao an-toerana, toy ny fitsaboana ny areti-maso sy ny fizarana solomaso.
Notontosaina teo amin’ny fasan’ny Maherifo Ambalankararaina, Manakara, ny fametrahana ny fehezam-boninkazo fahatsiarovana ny tolom-panafahana, 29 marsa 1947. Notolorana fanomezana ireo Bekotromaroholatra miisa 11, tapa-poroana sisa tsy may. Nitarika izany tany an-toerana ny filoha lefitry ny Antenimierandoholona, Rabemananjara Nicolas.
Nanao fanambarana ny depioten’ny Firaisankina, ny 29 marsa teo fa efa tsy an’ny Malagasy intsony i Madagasikara. “Tsy tompony sady tsy manana raiamandreny tena Malagasy afaka miahy sy miady ho azy. Ny filoha aza mizaka ny zom-pirenen’ny mpanjanaka”, hoy izy ireo. Notakiny ny hifonan’i Frantsa noho ny “Raharaha 1947”.
Namaly bontana ny mpanohitra amin’ny fanakanana sy ny tsy fankasitrahana ny fandraisana ny fivorian’ny COI hatao eto amintsika, ny ben’ny Tanàn’ Andoharanofotsy, Rakotoarimanana Henintsoa. Nohitsiny fa efa tsy fitiavan-tanindrazana intsony izany. “Tena fahavalom-pirenena ny olona misakana ny fandraisan’i Madagasikara ny COI”, hoy izy.