Fihaonana an-tampon’ny COI : Hamafisina ny fanadiovana ny tanàna

Andro isaina sisa: 23 andro, ny fanatanterahana ny fihaonana an-tampony faha-V eo anivon’ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indianina (COI), izay hatao eny amin’ny CCI Ivato, amin’ny 24 avrily ho avy izao. Mba handrindrana ny hetsika ilaina amin’ny fahombiazan’izany, nisy ny fihaonana teo amin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika, sy ny ben’ny Tanànan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA), Ramanantsoa Harilala, teny amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny, Anosy, ny faran’ny herinandro teo. Niompanan’ny dinika, tamin’izany, ny lafiny fitaovana sy fandrindrana ny fihaonana an-tampony, indrindra ny fepetra tokony horaisina amin’ny fanadiovana sy fanatsarana ny tanànan’Antananarivo izay handraisana ireo delegasiona ofisialy. Maneho ny fahavononan’ny governemanta sy ny Kaominin’Antananarivo Renivohitra ny fiaraha-miasa eo amin’ny tomponandraiki-panjakana sy ny kaominina. Tsy inona izany fa amin’ny fanomezana tontolo iainana sy fanondrotana ny endriky ny renivohitr’i Madagasikara eo amin’ny sehatry ny faritra amin’izay fandraisana fivoriana iraisam-pirenena izay.

R. Nd.

Partager sur: