Nampita hafatra ho an’ny vahoaka malagasy ny filoha Rajoelina Andry tamin’ny fanamarihana sy fahatsiarovana ny 29 marsa. Navoitrany tamin’izany ny tokony hanehoana ny fitiavan-tanindrazana.
“Tsy avelantsika ho raraka an-tany ny ran’ ireo Malagasy nitolona ho an’ny fanavotana sy fahafahana ho an’ny firenena. Mitaky adidy entanin’ny fitiavan-tanindrazana ho antsika taranaka mifandimby izany. Fanoloran-tena hatramin’ny famoizana aina aza ny tolona, izay nasehon’ireo mpitarika maherifo tamin’izany.” Io ny nambaran’ny filoha Rajoelina Andry, tamin’ny fametrahana fehezam-boninkazo tamin’ny hetsi-pahatsiarovana ny faha-78 taon’ny 29 marsa 1947, ny faran’ny herinandro teo. Na teny amin’ny fasan’ny Maherifo, teny Avaratr’Ambohitsaina, na tany Moramanga. Izay fitiavan-tanindrazana izay no mibaiko amin’ny fanapahan-kevitra rehetra amin’ny fanatanterahana ny adidy sy ny andraikitra amin’ny maha filohan’ny Repoblika azy. Zo sy adidy ny miady hampandresy sy hampandroso an’i Madagasikara.
Mbola misy ny fahavalo
78 taona aty aoriana, mbola misy ny fahavalo: ny fahantrana, ny fitiavan-tena, ny fikasana hampisara-bazana ny samy Malagasy, ny tetidratsy ho fampizarazarana ny samy Malagasy. Melohiny ary tsy ekeny ny fikasana fampirafesana kasaina hatao eto amin’ ny firenena. Efa maro loatra ny aina nafoy. “Nitolona sy niady hatrany ho an’ny Fahaleovantena isika. Fa mbola tsy tapitra eo akory ny tolona”, hoy izy. Atao ny ezaka sy ny fomba rehetra hahatongavana amin’ny tanjona ho amin’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara amin’ny sakafo, toekarena, indrindra amin’ny sosialy. Hanatrarana an’izany, ilaina ny firaisam-po sy saina ary ny fiaraha-mientana sy fiaraha-misalahy ho amin’ny fampandrosoana.
Notokanany ny Akany Fiadanantsoa ho an’ireo tia tanindrazana tamin’ny Raharaha 47. Nisy koa ny fanomezana solombodiakoho ho an’ireo betrokomaroholatra, ny fizaham-pahasalamana ho an’ny zokiolona…
R. Nd.