Fitokonan’ny mpivarotra : Lehilahy iray voasambotra

Nitohy hatramin’ny omaly maraina ny fitokonana sy fidinana an-dalambe nataon’ireo mpivarotra amoron-dalana tetsy Analakely, raha toa ka efa nanomboka ny zoma maraina izany. Fitokonana mandà ny fanesorana sy famindrana toerana ataon’ny kaominina azy ireo. Nisy ny tora-bato nataon’ireo mpanao fihetsiketsehana, fitsofana kiririoka ary fandorana kodiarana teny an-toerana. Niatrana teny an-toerana ny mpitandro filaminana nandamina sy nandrava ny hetsika. Nandefa vovoka madatsa-dranomaso izy ireo nandritra izany. Toarian’izay, nisy ny fihaonana nataon’ny ben’ny Tanànan’Antananarivo, Ramanantsoa Harilala, tamin’ny mpivarotra teny amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely, omaly. Nambarany tamin’izany fa efa vonona ny toerana 500 hamindrana ireo mpivarotra, izay tsy lavitra ny toerana nivarotan’izy ireo ihany. Tsy mandoa haban-tsena mandritra ny iray volana ireo mpivarotra ireo. Manomboka manao ny fanadiovana sy fanalalahana ny toerana ny eo anivon’ny kaominina. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa hanadiovana ny tsena sy hanamboarana ny fandehanan’ny rano ny antony hanalana ireo mpivarotra ireo, rah any fanazavana.

Mino

Partager sur: