Notanterahina tany Ampefy, ny alakamisy lasa teo, ny fivoriambe ara-potoan’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF). Nomen’ireo ligim-paritra 22 fankatoavana “quitus” zato isan-jato ny mpitantana eo anivon’ity rantsa-mangaika mitantana ny baolina kitra eto Madagasikara ity. Nahafa-po azy ireo ny tatitra ara-bola sy ny teknika ary ny tetikasa fampandrosoana ny baolina kitra eto Madagasikara nandritra ny taom-piasana 2024.
Ankoatra izay, zava-baovao ihany koa ny filazan’ny filohan’ny Federasiona, Andriamanampisoa Alfred, fa nofafan’ny Federasionina iraisam-pirenena (Fifa) ny famerana ny fampiasam-bola eo anivon’ny federasionina. Araka izany, afaka mampivoatra sy manatanteraka ireo tetikasa amin’ny fampiroboroboana ny baolina kitra eto Madagasikara ny komity mpanatanteraka. Tsy misy intsony mantsy ny famerana ny fampiasam-bola, manomboka izao. Hisy ny fanatsarana fiaraha-miasa amin’ireo ligim-paritra sy ny fotodrafitrasa, ny ivontoeram-piofanana any Carion sy ny any Mahajanga. Tsy adino koa ny fanafarana ireo bus be ho an’ny Barea de Madagascar.
Fitia Randria