Harena an-kibon’ny tany: Hivoaka ny fahazoan-dalana hikaroka sy hitrandraka

Anisan’ireo andry lehibe telo iankinan’ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE) ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany. Nohavaozina ny andinin-dalàna sasany.

Nitondra fanazavana ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany, Rako­tomalala Herindrainy, ny 21 marsa teo, mombaa ireo lohahevitra efatra mahakasika ny harena an-kibon’ny tany. Nofoanana ny fahazoan-dalana mikaroka solika miisa 21 efa tsy miasa na tsy manaraka ny fepetra intsony. Havaozina ny modely fifanaraham-piaraha-miasa miompana amin’ny fizarana ny vokatra mifanaraka amin’ny vinan’ny filoham-pirenena mitsinjo ny tombontsoam-pirenena. Eo koa ny fepetra mifehy ireo mpampiasa vola vahiny mahakasika ny « blocs pétroliers ».
Nofoanana ny fahazoan-dalana hikaroka (PR) sy ny fahazoan-dalana hitrandraka ho an’ny mpitrandraka madinika (Prea) maromaro, satria tsy nahaloa ny saram-pitantanana, na koa tapitra ny fe-potoana voafaritra. Misy koa ny tompony no nangataka ny fanafoanana. Noraisiana ity fepetra ity ahafahana manokatra azy ho an’ny mpampiasa vola amin’ny harena an-kibon’ny tany hafa indray.
Ankoatra ny fanafoanana, havoaka ihany koa ny andiany voalohany amin’ny fanavaozana ny fahazoan-dalana hikaroka (PR) sy ny fahazoan-dalana hitrandraka ho an’ny mpitrandraka madinika (Prea). Voakasik’izany ireo mpandraharaha nahafeno ny fepetra mifanandrify amin’ny lalàna, ankehitriny. Tsy izay rehetra manao fangatahana no hisitraka azy, fa ireo izay tena hita fa vonona hiasa. Misy rahateo ny fampiharana ny fitsipika araka izay voalazan’ny lalàna vaovao mifehy ny harena an-kibon’ny tany, dia ny fisian’ny bokin’andraikitra tsy maintsy arahin’ny mpandraharaha, ampiarahina amin’ny fanomezana ny fahazoan-dalana.

Tahirim-bolamena
Nasian’ny minisitra Rakotomalala Herin­drainy fanazavana koa ny sehatry ny volamena. Hapetraka ny Tahirim-bolamena, mandrindra ny rohim-pamatsiana volamena. Miara-miasa ny Banky foiben’i Madagasikara sy ny minisitera hampiroboroboana ny fanondranana ara-dalàna .

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: