Ezaka vitan’i Madagasikara amin’ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo sy fanatsarana ny fahasalaman’ny reny ny fanomezana azy ireo fanampin-tsakafo sy tohana maro samihafa. Izany dia ahafahana manome tanjaka sy herijika manokana ny Vehivavy mitondra vohoka sy hanampy amin’ny fisorohana ireo aretina mety hahazo toy ny fahaverezan-dra be loatra eo am-piterahana…
Nilaza ny mpamantatra ny toetry ny andro etsy Ampandrianomby fa hidina ny hafanana ambany amin’ity herinandro ity. Efa samy maheno hatsiaka ny eto an-dRenivohitra, nanaomboka omaly. Mila miaro vatana mba tsy hamparefo ny hery fiarovana. Manao mafana rehefa mivoaka ny trano, indrindra ireo mpianatra.
Manoloana ny fandaminana eny Analakely amin’ny fanesorana ireo mpivarotra amoron-dalana, tokony hanaraka fandaminana koa ireo mpividy. Miditra any an-tsena rehefa mitady zavatra hovidina fa tsy haka fanahy ireo mpivarotra hivoaka amin’ny tsena indray. Nisongadina ny filaminana omaly taorian’ny fandaminana nataon’ny CUA.
Nandray anjara tamin’ny hetsika fanadiovana ny tanàna avokoa ireo minisitera rehetra ny faran’ny herinandro teo ho fiaraha-mientana amin’ny fandraisana ny fivorian’ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indianina (COI), ny 24 avrily izao. Teny Ankorondrano no nanatanteraka izany ny minisitry ny Mponina sy ireo mpiara-miasa aminy.