Maty teo no ho eo ny mpitondra moto iray tra-doza teny amin’ny sampanan-dalana Ambodiafontsy, kaominina Ampitatafika, ny sabotsy 30 marsa teo. Iray hafa naratra.
Vaky loha, namoy ny ainy ny lehilahy iray nitondra moto teny amin’ny RN1, sampanan-dalana Ambodiafontsy, Ampitatafika, ny sabotsy 29 marsa teo tamin’ny 11 ora. Nanao taingin-droa, nisongona fiara teo alohany io moto io. “Nijanona tampoka anefa ny fiara teo alohany ka niala izany izy”, hoy ny nambaran’i Nadia, anisan’ny nanatri-maso ny loza. Nianjera nahazo ilay kamiao nifanoha-dalana taminy io mpitondra moto io. “Voadonan’ilay kamiao izy ka izao niafara tamin’ny fahafatesany izao”, hoy ny fanampim-panazavana. Tapitr’aina teo no ho eo, noho izany, io lehilahy io. Naratra mafy vokatry ny voina koa ny lehilahy iray hafa niaraka taminy. Nentina namonjy ny hopitaly ao Fenoarivo izy. Notsindrin’ny zandary nandamina ny fifamoivoizana teny an-toerana, ilaina hatrany ny fitandremana hisorohana ny loza tahak’izao.
4X4 tra-doza teny Tsarasaotra
Tetsy ankilany, fiara tsy mataho-dalana marika Mitsubishi avy any Ambodifasina nikasa ho any Tsarasaotra tra-doza, teny amin’ny lalam-baovao Ivato, omaly maraina tamin’ny 1 ora. Nandeha mafy, tsy voafehin’ny mpamily intsony ny familiana ka nivadika tanaty tanimbary izy ireo. Miisa fito ireo mpandeha ka maty ny iray. Nahenoana fofona alikaola ny mpamily ny fiara, araka ny fanadihadiana nataon’ny polisy. Nalefa eny amin’ny hopitaly HJRA ireo enina naratra manaraka fitsaboana. Miroso amin’ny famotorana ny mpamily nahatonga izao loza izao ny mpitandro filaminana.
Tsiferana R.