“Tsy maintsy averina ny filaminana satria zava-dehibe ho an’ny firenena sy ny fiainam-bahoaka izany.” Io no namintinan’ny Praiminisitra Ntsay Christian, tany Ambositra, ny faran’ny herinandro teo, ny fivoriana notarihiny niaraka tamin’ny OMC-Nat ary ireo olom-boafidy sy olom-boatendry any an-toerana, amin’ny fampanjakana ny fandriampahalemana any amin’ ny faritra Amoron’i Mania, anatin’ny distrika efatra. Teo koa ireo mpikambana dimin’ny governemanta voakasiky ny fisahanana ny filaminana sy ny fandriampahalemana. Mila fandraisana fepetra samihafa ny fisorohana ny tsy fandriampahalemana.
Misy fanapahan-kevitra maro efa noraisina. Eo ny olan’ ny fananan-tany anisan’ny fototry ny tsy fandriampahalemana, ny fitrandrahana ala sy ny harena an-kibon’ny tany. Misy fanapahan-kevitra koa momba ny hoe: ahoana ny hanamorana ny fiainan’ny mponina eo anatin’ny faritra mba hahazoan’ny rehetra mandray an’izay fepetra izay? Misy ny paikady hapetraka ho fanatanterahana an’izany. Avy eo, manatanteraka ny momba an’izay ny ambaratonga rehetra.
Miantoka ny fampivoarana ny fiveloman’ny mponina sy ny fanarenana ny toekaren’ny faritra ny fitantanandraharaham-panjakana. Tsy amin’ny fandriampahalemana ara-tsosialy ihany no iankinan’ny filaminana fa amin’ny fampandrosoana ara-toekarena ny faritra koa. Tokony ho fantatra sy horesena ireo sakana mampirongatra ny tsy fandriampahalemana. Koa nojerena ny zava-misy sy ny olana setraina miaraka amin’ny tomponandraiki-panjakana, ny olom-boafidy, ny lehiben’ny komandy any an-toerana…
R. Nd.