Any amin’ny ligin’Atsinanana indray no hanohy ny fampivondronana ho an’ny taranja karate do, ho fanomanana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, hatao any Nizeria, ny volana jolay izao. Mikasa handefa atleta 20 ny federasionina kanefa miankina amin’ny haavo teknikan’ny mpikatroka izany.
Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Mining Business Center Ivato, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja Bodybuilding, na ny “Big Mada”. Nisongadina nandritra ny fifaninanana ireo atleta vao misandratra izay tena hita taratra fa manana ny maha izy azy tokoa.
Hisy ny fankalazana manetriketrika ny faha-45 taona niorenan’ny Kung Fu Wisa malagasy amin’ity taona ity. Ny 6 avrily izao no hanatanterahana izany, eny amin’ny CCI Ivato izay hanaovana ny lanonana fankalazana sy fahatsiarovana izany Andro lehibe izany. Ny taona 1980 no niorenan’ny taranja Kung Fu, raha ny tantara.
Hitohy rahampitso 2 avrily ny fampivondronana faharoa ireo mpilalao volley, sokajy vehivavy hisolo tena an’i Madagasikara amin’ny CJSOI hatao any Seychelles. Efa nanomboka ny 26 marsa teo ny fampivondronana voalohany ka ny mpilalao avy eto Analamanga no nanomboka izany.