Nomarihina teny amin’ny Lycée Analamahitsy, omaly, ny fanehoana ny taombaovao malagasy niarahana tamin’ireo mpianatra sy ny mpanabe ary ny vaomieram-pirenena malagasy ho an’ny Unesco izay manohana ny hetsika isan-taona.
Beazina ny tanora sy ny mpianatra miainga avy any am-pianarana. Rehefa tafita ny fanabeazana, ho lasa ray aman-dreny izy ireo any aoriana ka hampita indray ireo fomba sy kolontsaina amin’ny taranaka mifandimby. “Misy zavatra tsy mazava matoa tsy resy lahatra ny Malagasy rehetra hankalaza ny taombaovao malagasy ka izay no hanokanan’ny mpiandraikitra ny Lycée fotoana iray hankalazana izany”, hoy ny mpampianatra ny taranja malagasy ao min’ny Lycée Analamahitsy, Rakotoarisoa Njara onjamalala
Misy kolontsaina mifampita ao anatin’ny hetsika, ahitana solontena isam-poko anatin’ny 18 mampiseho ireo fomba sy kolontsaina manerana ny Nosy. Any aoriana, rehefa lehibe izy ireo ka hiasa, tsy ho olana aminy ny hirotsaka amin’ny faritra samihafa satria samy Malagasy ka tsy misy elanelana.
Mibahan-toerana ny maha olona anatin’ny kolontsaina iray ary ny firenena rehetra dia afaka mirehareha amin’ny kolontsaina niainan’ny razana tany aloha. Efa ela no tsy nankalaza intsony ny taombavao malagasy isika nefa tsy mahasolo velively izany ny taombaovao arahana ao anatin’ny alimanaka gregorianina. Betsaka ny kolontsaina fonosin’ny taombaovao malagasy toy ny fifamelana, fidiovana… ka ilaina ny mamelo-maso izany indray miaraka amin’ny mpianatra. Tsapa amin’ny fihetsika ety ivelany fa manana fahafaliam-po ireo mpianatra misalotra ny fitafy malagasy ho an’ny foko 18 misy, araka ny fanehoan-kevitry ny sekretera jeneralin’ny Vaomieram-pirenena malagasy ho an’ny Unesco, Ravelojaona Manda.
“Manandratra hatrany ny kolontsaina malagasy tao anatin’ny dimy taona nisesy miaraka amin’ny Vaomieram-pirenena malagasy ho an’ny Unesco ny mpianatra 986 ao amin’ny Lycée Analamahitsy. Misy ny Zara hasina, ny nofon-kena mitam-pihavanana sy ireo kilalao sy kolontsaina mampiavaka ny foko rehetra nandritra ny tontolo andro, omaly”, hoy ny mpitantana ny Lycée, Rahantamalala Clarisse,
Vonjy