Miisa 13 ireo kaominina nisitraka ny Plof ho an’ny faritra Atsimo Andrefana, raha samy valo avy kosa ireo nahazo izany ho an’ny faritra Anosy sy ny any Androy. Tafiditra amin’ny fiaraha-miasa amin’ny tetikasa Mionjo miaraka amin’ny famatsiam-bolan’ny Banky iraisam-pirenena izy ity. Namolavola izany ny eo anivon’ny Sampandraharahan’ny fandrefesan-tany (DST) ao amin’ny minisitera (MFFT).
Nambaran’ny minisitra Andriantsitohaina Naina, fa anisan’ny mitondra fandrosoana lehibe ho an’ ireo kaominina amin’ny lafiny maro izany Plof izany. “Manan-danja ity fitaovana ity sy ny fampiharana azy amin’ny fitantanana ny faritra ao amin’ireo kaominina misitraka izany”, hoy izy. Anisan’izany ny famaritana ny satan-tany, ny fanamorana ny fomba fikarakarana ny taratasin-tany . Eo koa ny fanaraha-maso sy ny fangaraharana ary ny drafi-pamaritana ny tany. Hihena na ho foana koa ny ady tany amin’ny fampiasana ny Plof.
Fitantanana mahomby sy azo antoka
Etsy andaniny, manavao ny rafitry ny fananan-tany ity tetikasa ity ary antoka sy fitaovana manan-danja ho an’ny kaominina ho amin’ny fitantanana mahomby, mangarahara ary azo antoka kokoa.
Tsiahivina fa nitohy tamin’ny fizarana fitaovana hampiasana amin’ny birao sy fitaovam-pivezivezena “Mobilier de bureau et matériels roulants” ho an’ny faritra ny hetsika. Tafiditra ao anatin’izany ny fitaleavam-paritry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany, ny ivontoerana miisa valo ary kaominina miisa 108.
Synèse R.