TSELATRA

Mpisoloky roa lahy voasambotry ny polisy teny Ampefiloha, afakomaly. Soloin’izy roa lahy finday tsy mandeha intsony ny entana omeny ny mpividy aorian’ny fifampivarotana. Nametraka fitarainana ny lasibatra ka tratra izy roa lahy. Nogiazana ny finday fanaovan’izy ireo io asa ratsy io.

Raim-pianakaviana nanolana ny zanany vavy vao 11 taona tratran’ny polisy tao Mahajanga, ny sabotsy 29 marsa teo. Niaiky ny helony nandritra ny famotorana azy io nahavanon-doza io. Nandritra ny volana desambra 2024 lasa teo no nanatanterahiny ny fanolanana.

Partager sur: