Nanakoako tany Chine indray ny lazan’i Madagasikara, nandritra ny “test events” ao anatin’ny “World Games 2025”, taranja tsipy kanetibe. Norombahin’i Madagasikara mantsy ny medaly volamena roa teo amin’ny “tir de precision”, lahy sy vavy.
Mbola noporofoin’ny Malagasy teo imason’izao tontolo izao indray fa taranja voafehiny ny tsipy kanetibe. Norombahin-dRamamonjisoa Mirana, teo amin’ny sokajy vehivavy, sy Rakotoarisoa Yves Sedrick, ho an’ny lehilahy, ny medaly volamena teo amin’ny fifaninanana “tir de precision”, tamin’ny “test events”. Fihaonana notanterahina tany Chengdu Chine, ny sabotsy lasa teo, niadian-toerana ho an’ny “World Games 2025”.
Resin’i Yves teo amin’ny famaranana, tamin’ny isa 32 no ho 24, ilay Thaillandais, i Khamdee Ratchata, izay efa mondialiste. Nahazo ny medaly alimo, i Win Thurain Tun avy any Myanmar, rehefa nandresy an’ilay sinoa, i Wei Zhoubao.
I YU Yu-Hsnu, avy any Thaipei, no resin’i Mirana, ho an’ny vehivavy. Niady ary nampitsanga-mitoetra ny rehetra ny fihaonan’izy mirahavavy satria tamin’ny isa tery 29 no ho 27 no nivoahan’i Mirana ho mpandresy.
Laharana fahefatra kosa i Madagasikara teo amin’ny fihaonana ho an’olon-droa miaraka, lahy sy vavy. Lavon’i Viet-Nam teo amin’ny manasa-dalana, tamin’ny isa 11 no ho 7, ary mbola resin’i Thailland, tamin’ny isa 13 no ho 4, indray izy mianadahy teo amin’ny fiadiana ny medaly alimo. Niambozona ny medaly volamena i Cambodge.
Na teo aza izany, nahazo ny tapakila hiatrehana ny “World Games 2025”, hatao any Chine, ny 7 ka hatramin’ny 17 aogositra ho avy izao, i Mirana sy i Yves.
Tompondaka
Hoy izy ireo :
- Yves : “Manan-danja lehibe iny vokatra iny satria nahazoako ny tapakila hiatrehana ny “World Games 2025”. Efa tsy andriko izay hiverenana any Chengdu”.
- Mirana : “Voninahitra lehibe ho ahy ny nahazoako nifaninana ho an’i Madagasikara. Na teo aza ny toetr’andro mamirifiry, nanome ny heriko rehetra aho”.