Tsy fandriampahalemana: Fasana telo novakin’ny jiolahy

Noraofin’ny jiolahy avokoa ny taolambalo tao anatin’ny fasana roa novakin’izy ireo tao amin’ny fokontany Antanifotsy, kaominina Ankazondandy, distrikan’i Manja­kandriana, ny alin’ny alahady 30 marsa teo. Fasana efa nidanadana no hitan’ny mpandalo. Nampandre ny tomponandraikitra sy ny tompom-pasana ity farany. Nojerena ny tao anatin’ny fasana, kinanjo efa nokorontanin’ireo tsy valahara. Naka mpitandro filaminana ny tompom-pasana ary nitondra alika mpitsongo dia hanatrarana ireo olon-dratsy. Ankoatra io, razana maina 40 lasan’ny mpamaky fasana tao amin’ny fokontany Marirano, kaominina Ankazobe, ny alahady 24 marsa lasa teo. Tsy tsikaritry ny fokonolona io tranga io raha tsy ny alarobia 26 marsa. Manjaka ny tranga vaky fasana any amin’ireo distrika manodidina ny Renivohitra tato ho ato saingy tsy mety tratra ireo tena tompon’antoka.

Tsiferana R.

Partager sur: