Notehirizina am-pitandremana mba tsy ho faty eny anivon’ny tokantrano tsirairay avy izy io nandritra ny alina tontolo, mandra-piposahan’ny masoandro, ny marain’ny taombaovao, ny alahady lasa teo. Nahitana fizarana izany avokoa ny vohitra rehetra teto amin’ny Nosy. Anisan’ izany ny teny amin’ny Rovan’i Manjakamiadana, ny Rovan’ Ambohidratrimo sy ny maro hafa. «Fomba amam-panao efa tamin’ny andron’ny faha mpanjaka izy io, ary atao rehefa fotoana famaranana ny taona sy hitsenana ny taona vaovao», hoy ny Maitre Victorio, filohan’ny fikambanana Malagasy iray hasina (Maiha). Tanjona ny mba hiainan’ny tsirairay eo anivon’ny tokantrano ny hazavana sy hafaliana entin’ny afo tsy maty mandritra ny taona ho avy iray manontolo. Ho an’ireo olona mitahiry ny hazavana dia mbola hiaina tanteraka ao anatin’izay izy ireo mandritra ny taona ho avy. Endriky ny fahavelomana, fitahiana, fitsimbininana tsy misy fiafarana ny afo tsy maty. Handraisana fitahiana sy fiarovana ary mba ho fanilo handroaka ny ratsy sy ny haizina rehetra. Nambarany fa tsy misy finoana izany fa fomba amam-panao eo amin’ny Malagasy. Rehefa mifankahita sy tarafin’ny hazavana ny ao an-tokantrano dia tsy hisy hery ratsy hanatona sy hanakorontana amin’ny taona ho avy. “Tsy nandalo haizina ny olona manana afo tsy maty rehefa tonga ny taona vaovao”, hoy hatrany izy nanazava. Hianoka ao anaty hazavana sy hasambarana ny rehetra manana io afo io eo anivon’ny tokantranony.
Taombaovao nisantarana
ny mamy
Ankoatra izay, afaka nisantatra ny hafaliana sy ny tsara indrindra ny olona nitahiry izany tamin’ny fiantombohan’ny afo tsy maty. Nambarany fa ao anatin’ny tokantrano no ahitana ny mamy sy mangidy rehetra, izay toerana masina indrindra eo amin’ny zanak’olombelona tsirairay. Noho izany, tsara ny handrehetana ny afo sy ny jiro ao an-tokantrano mba hazava ny tokantrano. Tahaka izay koa ny hisantarana ny tsara sy mamy indrindra rehefa taombaovao. “Nisantarana izany ny vary amin-dronono tondrahan-tantely, raha tiana ny hiaina fahasambarana mandritra ny taona”, hoy hatrany izy nanazava. Ny vary no anjaran’ny tany izay hitsahan’ny olona. I Madagasikara ihany koa no nanome vary hohanintsika ka tsara ny hihinana ny vary. Mba ho marika fa tsy ho foana vary mihitsy ny olona. Faharoa, ny ronono, endriky ny fitohizam-pahavelomana. Izay zaza teraka ka tsy nisotro ronono dia naman’ny tsy velona, raha ny fanazavana hatrany. Noho izany, misotro ronono isika mba ho ela velona eto ambonin’ny tany. Fahatelo ny tantely, endriky ny fankatoavana ny fahavelomana. “Mba tsy ho sendra ny mangidy tsy telina anie ny olombelona amin’ny taona vaovao hodiavina, antony hihinana ny tantely”, hoy izy nanambara. Nolazainy fa tsara raha ny vary amin-dronono tondrahan-tantely no hohanina amin’ny fiantombohan’ny taona vaovao. Tanjona ny mba ho ela velona, sy ho sambatra ary hiadam-pinaritra eto ambonin’ny tany ny vahoaka malagasy.
Ilaina ny manome lanja ny kolontsaina malagasy
Tonga nanotrona ny fizarana ny afo tsy maty teny an-toerana ihany koa ny filohan’ny Oniversiten’Antananarivo, vao voafidy. “Ilaina ny mifanotrona sy mifanome lanja ny hasin’ny fomba amam-panaon’ny tena”, hoy ny filohan’ny Oniversite, Randrianasolo Rivoarison, raha nanontaniana teny an-toerana. Nambarany fa ny an’ny hafa aza hankalazaina, toy ny voalohan’ny volana janoary sy ny fetin’ny silamo ary ny maro hafa. Samy manana ny fomba fijeriny sy ny daty arosony ny mpandala ny fomban-drazana. Tsara hatrany ny manome hasina azy ireny avy amin’ny maha Malagasy ny tena sy amin’ny olon’ny fiarahamonina ihany koa, raha ny nambarany. “Misy kolontsaina ao anatiny ary amin’ny maha iray ny Malagasy rehetra no hitondrana sy hanomezan-danja ny fomba”, hoy izy.
Afaka mankalaza ny rehetra
Tonga nanotrona ny lanonana fizarana afo tsy maty teny amin’ny vohitr’Ambohidratrimo ihany koa ny solombavambahoaka voafidy tany amin’ny disitrikan’Arivonimamo, ny sabo-tsy faran’ny taona teo. “Tsy finoana fa fomba ny fankalazana ny taombaovao malagasy ary entanina ny rehetra hankalaza izany”, hoy Rajerison Antoine, depioten’Arivonimamo sady filohan’ny antoko Fivoi. Afaka mankalaza izany avokoa ny rehetra, eny fa na hatramin’ny fiangonana aza, toy ny fanaovana vavaka mandritra ny sasakalina hitsenana ny taona vaovao vahiny, izay manaraka ny tetiandro gregoriana, raha ny nambarany hatrany.
Tsy mahaleo tena i Madagasikara
Ankoatra izay, nanisy resaka momba ny fahatsiarovana ny fankalazana ny 29 marsa ihany koa ny tenany. Nambarany fa tsy mbola mahaleo tena i Madagasikara raha jerena ny zava-misy. Voakasik’izany avokoa na ny ara-bary, na ara-bola, ara-ekonomia, ara-tsosialy sy ny maro hafa. Mampalahelo ny mieritreritra ny fitokanana sy ny fahatsiarovana ny havana maty nitolona tamin’izany andro izany. Betsaka ny zavatra tokony hatao raha te hahaleo tena isika. Anisan’izany ny fanenana ny fanafarana vokatra avy any ivelany. Jerena ny zavatra tokony hatao mba hampanan-karena ny vahoaka malagasy amin’ny alalan’ny fitrandrahana ny harena voajanahary eto amin’ny firenena.
Nanatontosa : Mino