Andriamanana Nivoarivony : “Mila mifanaraka amin’ny soatoavina malagasy ny demokrasia eto”

Efa demokrasia ny tsy fitovian-kevitra ny amin’ny demokrasia? Adihevitra… Maneho ny fijeriny ny fiarahamonina sivily avy amin’ny Ivon’ny seha-pifidianana efaina (Ise) ivondronan’ny fikambanana maromaro, Andriamanana Nivoarivony: “Tokony hanamafy orina ny maha malagasy izany ny demokrasia, fa tsy demokrasia no atao fototra voalohany sy lehibe. Tokony hifanaraka amin’ny soatoavina”. Dinidinika…

Gazety Taratra (*): Ny fahitanao ny demokrasia eto Madagasikara amin’ izao?
Andriamanana Nivoa­ri­vony (-): Amiko, misy ny de­mokrasia eto Madagasikara. Marina fa samy manana ny fandikana sy ny fahitany azy. Miseho amin’ny endrika samihafa ny demokrasia. Tsy fahalalahana amin’ny fahazoana miteny sy maneho hevitra ihany izay. Misy, ohatra, ny fanatanterahana fifidianana ara-potoana, araka izay voafaritry ny lalàna. Amin’izay fifidianana izay, ekena izay voafidin’ny maro anisa. Izay no atao hoe voafidy ara-pomba demokratika ny mpirotsa-kofidina iray. Na filohan’ny Repo­blika io, na solombavambahoaka, na ben’ny Tanàna… Misy demokrasia izany matoa misy fifidianana, mandeha izany ny fanehoan’ny maro anisa ny heviny sy ny safidiny.

* Misy ve ny fahafaham-po amin’izay demokrasia izay?
– Tsy misy ny fahafaham-po 100 %… Isika eto Madaga­si­kara, mbola vao ao anatin’ny mametraka tsikelikely ny demokrasia. Nisy namoaka ny fitsapan-kevitra nataon’ny any ivelany momba ny demokrasia eto Madagasikara. Misy ny demokrasia, ary misy ny isa nomeny ny amin’izany. Mba nahazo salanisa kosa aloha izay. Noho izay, afa-milaza isika fa eo an-dalam-panatsarana ny demokrasia eto Madaga­sikara. Mila fitaizana ny olom-pirenena amin’izay lafiny izay. Mba tsy ho voarebireby ka adika vilana ny hoe demo­krasia. Lasibatra amin’izany ny mpanao politika, matetika milalao an’izay amin’ny mety aminy. Nefa tsy lalaovina amin’ izay mahamety ny tena ny demokrasia, fa fitaizana toe-tsaina. Resahina hatrany ny hoe fanovana toe-tsaina sy kolontsaina vaovao hiton­drana ny tany sy ny fanja­kana. Misy fitaizana ao ana­tin’ny hoe demokrasia. Ma­halala ny zo sy ny adidiny ny olom-pirenena amin’ny tany demokratika. Misitraka ny zony izy, manatanteraka ny adidiny. Tsy amin’ny lafiny fifidianana ihany izay, fa amin’ny fandoavan-ketra, ohatra.

* Hatraiza ny hoe fahalalahana amin’izany?
– Isika rehefa omena fahalalahana, lasa tsy mahafehy izay tena tokony hotenenina dia lasa mandika vilana. Amin’ izao fotoana izao aza, miteny ny amin’ny filaza sy fanelezana vaovao tsy marina ny mpamatsy vola eto amintsika. Am­pianarina ny olom-pirenena malagasy tsy hilaza sy hanaparitaka vaovao tsy marina, tsy handray an’izany ihany koa. Satria lasa vaovao tsy marina no manjaka. Tsy midika izany hoe demokrasia tsy tan-dalàna no misy eto amintsika. Mbola miroso tsikelikely miditra amin’ izany demokrasia izany isika. Mila fitaizana be izany, miainga amin’ny zaza madinika na garabola.

* Aiza ho aiza ny tantara amin’izany?
– Vao teo isika no nahatsiaro ny 29 marsa 1947. Nahoana, ohatra, no nisy ny sahy nanao vy very ny ainy tamin’izany? Izay ilay fitiavan-tanindra­zana. Endriky ny demokrasia ange izany hoe sahy maneho hevitra manohitra ny tena. Amin’izao, tsy izay fanaovana vy very ny aina izay intsony ny demokrasia, fa efa endrika hafa no isehoany. Tsara ha­trany izany ny miainga amin’ ny tantara, ahazoana mana­tsara sy mampivoatra… Na ny rafitra misy eto amin’ny fire­nena izany, na ny tsirairay amin’ny maha olom-pirenena. Ao anatin’izany fahazoana ny famohazana sy famelomana ny fitiavan-tanindrazana ao anaty eo amin’ny tsirairay. Izay no mampisy fandresena, fandrosoana… Mila velomina izay fitiavan-tanindrazana izay. Fa lasa any amin’ny fitadiavana ny olona amin’izao fotoana izao. Lasa hadino na tavela ho azy ny fananana adidy aman’andraikitra ho an’ny firenena.

????????????????????????????????????

* Aiza ho aiza ny mpanohitra amin’ny hoe demokrasia? Na ny anjara toerany…
– Mpanohitra ho amin’ny fanorenana… Tsy mpanohitra mandrirotra midina izany, fa tokony hitondra ho amin’ny fanatsarana ny fampandrosoana. Ilaina hatrany ny fanakianana ahazoana manatsara ny asa sy ny fomba fiasa. Mila manao jery todika sy tombana koa amin’izay atao. Izay no hanatsarana sy hampandrosoana ny asa: tanana sy tohizina izay tsara, avela na arenina ny lesoka. Tsy mifanao be marenina na bontolo amin’izany, na ny mpitondra na ny entina. Mila fifampihainoana sy fanetren-tena izany amin’ ny fitiavan-tanindrazana. Mi­tovy amin’izay koa ny olom-pirenena, tsy mijery olona. Ny zava-misy amin’izao, fanarahana olona no tena be dia be. Nefa tsy olona no tokony hojerena fa ny rafitra. Lasa manaraka bontolo na ambokony raha vao mijery olona… Misy koa ny misolelaka amin’izany dia lasa tsy mahita ny tena zava-misy marina.

* Ahoana ny demokrasia manoloana ny fahantrana?
– Ny zava-misy aloha amin’ izao, firenena vao mametraka ny demokrasia isika. Tsy mbola tafapetraka tanteraka izany. Anjarantsika ny mametraka ny demokrasia hifanaraka amin’ny kolontsaina sy ny soatoavina maha malagasy. Ahoana no hametrahana an’ izay? Izay ilay voalaza teo hoe mila fitaizana manomboka any amin’ny garabola na fototra. Tsy misy fahagagana hoe rehefa lehibe vao hiova. Izay no hahazoana manana olom-pirenena mahafehy ny hoe demokrasia. Efa misy fototra eo fa ny maha malagasy no fototra voalohany, fa noho ny fanatontoloana napetraka taty aoriana ny demokrasia. To­kony hanamafy orina ny maha malagasy izany ny demokrasia, fa tsy demokrasia no atao fototra voalohany sy lehibe. Tokony hifanaraka amin’ny soatoavina ny demokrasia. Soatoavina malagasy, ohatra, ny hoe: tsy miady amim-paty. Rehefa misy fahoriana, hita ao avokoa ny karazana na an­tokon’olona: mpanao politika, fiarahamonina sivily, raiamandreny ara-drazana… Miara-ory eo avokoa izany. Mpiahy an-drariny amin’ny kolontsaina no ilaina, mahalala sy mahay tantara.

Nangonin’i R. Nd.

Partager sur: