SPSM : Hatao any Toamasina ny kongresy

Hotanterahina any Toamasina, ny volana aogositra izao, ny kongresin’ny firaisankinan’ny mpiasan’ny fahasalamana eto Madagasikara (SPSM) amin’ity taona ity. Vinavinaina ho 7 000 ireo mpizaika ho tonga hiatrika izany.
Fotoana hanamafisana ny fiombonan’ny mpiasan’ny fahasalamana rehetra manerana ny Nosy ny kongresy. Maro ny hetsika hatao ao anatin’izany ho fanehoana firahalahiana. Fifaninanana ara-panatanjahantena toy ny baolina kitra, basikety… sy hetsika ara-kolontsaina hanehoana ny maha izy azy ny isam-paritra.
Ny faran’ny herinandro teo, tonga tany Toamasina nanao ny fandaminana sy fiomanana amin’izany ny birao nasionalin’ ny SPSM. Nifandinika amin’ny biraom-paritra izy ireo ny amin’ ny fahafahan’i Toamasina mandray izany. Nilaza ny ankilany fa efa vonona amin’ny fandraisana izany kongresy goavana handraisana olona an’arivony izany.
Angovo mampihodina ny tobim-pahasalamana sy mian­toka ny fahasalamam-bahoaka ireo mpiasan’ny fahasalamana ary mivondrona maneho firaisankina sy firaisam-po mana­tsara hatrany ny asany.

Tatiana A

Partager sur: