Ankizy tsy ampy taona sy lehilahy mpaniraka aza voasambotry ny mpitandro filaminana, tetsy Antohomadinika, ny 1 aprily teo. Nandeha taksibe 154 ilay mpitandro filaminana. Zaza tsy ampy taona nisaka ny paosiny. Nahare ny fikasoky ny tanan’io mpangarom-paosy io ilay polisy ka niandry kendry tohana. Tsy afa-nanao na inona na inona ilay tontakely fa noraisim-potsiny. Niaiky heloka izy fa naka ny fitoeram-bola tany amin’ilay mpitandro filaminana. Nitoroka ny mpaniraka azy io voasambotra io. Lehilahy 46 taona no mpanome baiko azy sy mizara ny vola azo. Niaraka nentina teny anivon’ny biraon’ny mpitandro filaminana izy roa lahy mianaka. Atolotra fampanoavana aorian’ny hitazomana azy am-ponja. Marihina, manao hetsika manokana hamongorana ireo tsy valahara ny polisim-pirenena amin’izao fotoana. Mpanendaka sy mpamaky trano efa-dahy maty voatifitra teny Anosizato atsinanana sy Ambodin’Isotry tao anatin’ny herinandro.
Tsiferana R.