Hita afakomaly tamin’ny 3 ora tolakandro tao anaty rano, teny Ambohidratrimo Ambavarano, ny vata-mangatsiakan’ny tovolahy iray 19 taona. Maty nalentiky ny rano tao izy tamin’ny 2 ora sy sasany tany ho any. Nilomano tao amin’io rano io izy ary tsy nipoitra intsony taorian’izay. Niantso ny tomponandraikitra avy amin’ny vondron’ny mpamonjy voina avy hatrany ny fokonolona sy ny olona teny amin’ny manodidina vantany vao nahita ny tranga. Tonga teny an-toerana ny vondron’ny mpamonjy voina tamin’ny 3 ora tolakandro. Nidina tao anaty rano nanao ny fikarohana ilay tovolahy. Tsy naharitra ela fa tao anatin’ny 6 minitra dia hita ity tovolahy ity, efa tsy nahatsiaro tena sy efa tsy niaina intsony. Efa tonga teny an-toerana nanao ny fizahana ny razana ireo tomponandraikitry ny fahasalamana eny Ambohidratimo. Efa nentina teny anivon’ny fianakaviana kosa ny razana taorian’ny fizahana natao taminy.
Tokony hitandrina hatrany ny tsirairay mba hisorohana ny tranga tahaka izao, raha ny fanentanana nataon’ny tomponandraikitra. Marihina fa monina eny an-toerana ihany ity tovolahy ity ary tonga nilomano sy nandro tao amin’io dobo io ka izao nalentiky ny rano izao.
Mino