Fandraisana ny fihaonana an-tampon’ny COI: Noderain’ny Diaspora ny finiavan’ny fanjakana

Namoaka fanambarana ireo fikambanana, antoko politika, olom-pirenena tsotra ary ireo Malagasy maro anisa milaravinahitra any Eoropa. Niompana amin’ny handraisana ny fihaonana an-tampon’ny COI ny fanambaran’izy ireo.

Nampirisika ny fitondram-panjakana tarihin’ny filoha Rajoelina Andry amin’ny fandraisana ilay fivoriana iraisam-pirenena eo anivon’ny COI, hotanterahina eto Madagasikara izy ireo. “Midera ny finiavan’ny fanjakana manoloana ny fandraisana izany izahay”, hoy izy ireo. Nanterin’ny fanambarana fa adikan’ireo Malagasy milaravinahitra any ivelany ireo ho efa fandresena diplaomatika ny fandraisana ireo fivoriambe iraisam-pirenena hatao eto Madagasikara. An­jaran’ny mpisehatra tsirairay ny mamadika izany ho otrikarena ho an’ny tombontsoa iraisan’ny Malagasy.
Nentanin’izy ireo ny rehetra mba tsy hitsanga-menatra sy tsy hitarain-tana-miempaka amin’ny fikatsahana fampandrosoana apetraky ny filoha ho an’i Madagasikara.
Etsy andaniny, nambaran’ireto Diaspora ireto koa fa miombon-kevitra tanteraka amin’ny filohan’ny Repoblika ireo Malagasy any Eoropa ny amin’ireo tetikasa mitondra fivoarana isam-paritra apetrany manerana ny Nosy.

Tsy fotoan’ny adilahy politika intsony
Nentaniny koa ireo tomponandraiki-panjakana handray ny andraikitra mifanandrify azy ireo ho tombontsoan’ny mpiara-belona. « Tsy tokony hitombina intsony ilay fomba fiteny lany andro fa zary fasana hilevenan’ny tetikasa ny faritra », hoy ihany izy ireo.
Hentitra ny hafatr’izy ireo fa tsy fotoan’ny adilahy politika intsony izao. Fotoana hamokarana bebe kokoa sady fotoana ho amin’ny fiombonana. Famondronana ny hery sy tanjaka koa hoentina manandratra avo ny tanjaka ara-toekaren’ny firenena, araka ny fanambarana hatrany.

Synèse R.

Partager sur: