Fanolanana zaza 6 taona : Voasambotry ny polisy ireo roa lahy voarohirohy

Voasambotry ny polisim-pirenena avy ao amin’ny kaomisarian’Ambohimahasoa, omaly maraina, ireo roa lahy voarohirohy tamin’ny raharaha fanolanana sy famonoana zazavavikely enin-taona tany an-toerana, ny alarobia lasa teo. Rahalahan-drain’ilay zaza ny iray amin’ireo voasambotra ireo. Mpiara-monina fa manana lonilony amin’ny rain’ny zaza maty kosa ny lehilahy iray hafa, raha ny angom-baovao voaray. Tazomina atao andrimaso sy anaovana fanadihadiana eny anivon’ny biraon’ny polisy izy ireo amin’izao fotoana izao. Hatolotra ny fampanoavana aorian’izay. Anisan’ny raharaha nanaitra ny maro ny zavatra mamoafady nataon’ireto olona ireto. Andrasan’ny maro ny hampiharana ny sazy henjana ho azy ireo.
Tsiahivina fa nisy nibata tao am-pandriana fatoriany io zazavavy io, ny alarobia alina, nandritra ny fotoana niasan’ny rainy tao amin’ny trano fisakafoana iray any an-toerana. Efatra mianadahy izy ireo no niara-natory. Tsy nahita io zaza io intsony anefa ny rainy tamin’ny 11 ora alina, rehefa avy niasa. Nanomboka teo ny fikarohana azy. Ny maraina vao hita tany anaty lakandrano ny fatin’ilay zaza. No­tsin­dromin’ireo olon-dratsy ta­min’ny antsy avokoa ny lohany sy ny faritra mahavehivavy ity zazavavikely ity ka potika tanteraka, taorian’ny fizahana nataon’ny mpitsabo ny razana.
Tsy niandry ela ny mpitandro filaminana nanao ny fikarohana ireo nahavanon-doza. Mbola ao anaty fanadihadiana tanteraka ny polisy hamantarana raha meloka na tsia ireto voasambotra ireto

Mino

Partager sur: