Faritra Anôsy : Misokatra ny masoivohon’ny EDBM

Tafapetraka amin’ny fomba ofisialy ny masoivohon’ny Economic Development Board of Madagascar (EDBM) ho an’ny faritra Anôsy sy Androy. Hetsika hanakaikezana ireo orinasa sy ireo mpitondra tetikasam-pampiasam-bola. Tan­jona ny hanomezana tantsoroka ny fandraharahana sy ny fampiasam-bola hampandrosoana ny toekarena sy ny fan­draharahana. « Manana loharanon-karena voajanahary sy harena araka olona ary toerana stratejika ahafahana mampiroborobo ny sehatry ny fizahantany, ny indostria, ny fambolena sy fiompiana ary ny jono ny faritra Anôsy », hoy ny governora Rakotovelomanantsoa Voahary. Nampahafantarina nandritra izany koa ny vovonana Orinasa manamora ny fananganana, fanatsarana ary fanafoanana orinasa. Nankasitraka feno izao fametrahana sampandraharahan’ny EDBM izao ny filohan’ny Antenimieran’ny varotra sy indostria (CCI) ao Taolagnaro, Rakotohery Moise. Nambarany fa mamaly ny filan’ny orinasa sy mampihena ny fandaniana ary ny fotoana lany amin’ny fikirakirana antontan-taratasy ny vovonana. Hanamora ihany koa ny fametrahana eo amin’ny sehatry ny ara-dalàna ny orinasa any amin’ny faritra izany.

Henintsoa Hani

Partager sur: