Lozam-piarakodia teny Ambohimangakely : Mpivady niara-maty

Olona roa namoy ny ainy vokatry ny lozam-piarakodia teny amin’ny lalam-pirenena faharoa, teny Ambohimangakely, ny alin’ny alakamisy 03 avrily teo. Nohazonina atao famotorana ny mpamily.

Fiara an’olon-tsotra niharan-doza teny amin’ny lalam-pirenena faharoa, PK 08+500, fokontany Anka­dindambo, kaominina Ambo­himangakely, ny alakamisy 03 avrily alina, tamin’ny 10 ora sy 10 minitra. Kamiao lehibe iray avy any Ambohimahitsy hihazo an’Ambohimangakely nitrongy tampoka fiara kely marika Renault 4 teo alohany. Nifandona tamin’ny kamiao iray hafa nifanoha-dalana taminy anefa io fiara kely io. Potika tanteraka ity farany. Niforitra ny vatan’ny fiara. Naratra mafy ny mpivady tao anatiny. Nentin’ny nanatri-maso sy ny ekipan’ny zandary tonga teny an-toerana namonjy toeram-pitsaboana teny anivon’ny CHRD Ambohiman­gakely ilay mpivady niharan-doza. Nahazo fitsaboana voalohany, voatery nentina namonjy hopitaly lehibe vokatry ny fahavoazana mafy izy mivady kinanjo namoy ny ainy teny an-dalana.

Voasambotra tao Ambatolaona
Voasakan’ny zandary tao Ambatolaona, omaly maraina tamin’ny 1 ora, ilay mpamily kamiao namoa-doza. Nan­dositra io mpitondra kamiao nitera-doza io taorian’ny fotoana nitrangan’ny loza, araka ny fanazavan’ny fianakavian’ny lasibatra. Notanana hatao andrimaso eny anivon’ny to­bim-paritra zandarimaria Tanà Ville nisorohana ny mety hisian’ny fitsaram-bahoaka izy taorian’ny nahatrarana azy. Nanamafy ny fianakavian’ny lasibatra fa tsy hanaiky mora tamin’ny nahafaty ny havan’izy ireo. Ankoatra io, fiara tsy mataho-dalana iray tra-doza teny amin’ny RN4, PK 320 +600, teo Ampanaovakrisi­ma­sy, fokontany Mahatsinjo, kaominina Maevatanàna II, afakomaly tamin’ny 5 ora hariva. Mpandeha fito no tao anatin’ny fiara ka voa mafy ny telo.

Tsiferana R.

Partager sur: