TSELATRA

Roa lahy nitondra rongony 15 kg voasambotra tao Mahavokay, kaominina Mahajanga, omaly maraina tamin’ny 3 ora. Nandositra niaraka tamin’ny entana izy ireo ka voatery nanapoaka basy ny polisy. Nosavaina ny fonosana ka voamarina fa rongony avokoa no tao.

Nahitana Cocktail Molotov teny anoloan’ny vavahadin’ny orinasa Pradon, tetsy Antanimena, omaly maraina tamin’ny 3 ora. Nahitana tranga tahaka an’io koa, nanoloana ny Pac 67 Ha. Nisy taratasy nampanarahin’ireo mpanao ratsy ireo izany.

Nanao fitsirihana sy fisavana tampoka ny mpitondra moto ny ekipan’ny polisim-pirenena, omaly maraina. Fampanarahan-dalàna sy hisorohana ny loza mahazo ny mpitondra kodiaran-droa tato ho ato no anton’izany.

Jiolahy efa-dahy nanapa-tanana tompon-trano, voasambotry ny zandary tao Toamasina, omaly. Nandroba vola niampy finday tao Ambalamanasy, Carreaux II, izy efa-dahy ireo, ny 29 marsa lasa teo. Nanao fikarohana ny mpitandro filaminana ka izao tra-tehaka izao ry zalahy. Niaiky heloka ireo nahavanon-doza.

Partager sur: