“Momba ilay volavolan-dalàna fampitsaharana ny vohoka noho ny antony ara-pahasalamana (ITG) natolotra teny amin’ny Antenimierampirenena, ny taona 2021, hodinihina sy holanian’ny solombavambahoaka ho lasa lalàna manan-kery eto amintsika, tsy mbola tafiditra ao anatin’ny lahadinika naroso hatramin’ izao aloha”, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra iray ao amin’ny ekipa mpanatanteraka ny hetsika, Andriamiara Josoa.
Betsaka ny herisetra atao amin’ny vehivavy eny anivon’ ny fiarahamonina. Mety niharan’ny herisetra ara-pananahana izy ka lasa nitondra vohoka tsy nahy. Manome safidy ny hetsika Nifin’Akanga ho an’ilay vehivavy na hitazona ilay vohoka na hampitsahatra izany amin’ny famolavolana ilay volavolan-dalàna mifandraika amin’izay. Raha niharana fanolanana ka terena hitazona ilay vohoka izy. Mitombo avo roa heny ny hirifiry mihatra aminy satria mampahatsiahy ny fanolanana nihatra taminy ilay zaza. Ankoatra izay, resahana ny fanalan-jaza satria zava-misy eny amin’ ny fiarahamonina na voararan’ ny lalàna aza izany. Matetika, atao eny anelanelan-trano ary tsy manaraka fenitra ny fanatanterahana izany satria tsy ara-dalàna.
Miady ny tsy hanasokajiana ny fanalan-jaza ho heloka ny hetsika Nifin’Akanga hiarovana ny vehivavy. “Tokony ho olona nahazo fiofanana sy amin’ny toerana voatokana no hanaovana ny fanalan-jaza”, hoy ny nambarany.
Vonjy A.