Notanan’ny zandary ny lehilahy nahatrarana basy teny amin’ny fokontany Ambodiampanga Antanetibe, Ambohidrapeto, distrikan’Atsimondrano, ny 3 avrily tamin’ny 7 ora sy sasany hariva. Nitrangana fifamaliana teo amin’io lehilahy io sy ny olon-tsotra hafa. Tsy nijanona tamin’ny fanaovana vava sy fampitahorana izany. Nandrahona hamoaka fitaovam-piadiana ilay lehilahy. Nambanany tamin’ny basy tokoa ilay nifamaly taminy.
Tetsy ankilany, nampandre ara-potoana ny mpitandro filaminana miasa ao amin’ny tobim-paritra Itaosy ny lasibatry ny fandrahonana. Nigadona minitra vitsy taorian’ny antso ny zandary. Tratra teo am-pihazonana basy P1A tokoa ilay voatondro. Tsy nisy bala io fitaovam-piadiana teny aminy io ka niroso tamin’ny fisavana ny trano fonenany ny zandary. Nentina natao famotorana izy.
Tsiferana R.