Avy nandevina, nisasa teo Ampasika: mianaka niara- maty an-drano

Maty an-drano, omaly, i Thierry, mpihira tao amin’ny Zaza Kanto. Nanavotra ny dadatoany izy no
niara-nalentik’Ikopa, teny Ampasika. Tra-doza nandritra ny fisasana vao avy nandevina ny nenitoany izy ireo.

Olona mianaka, raim-pianakaviana 45 taona, sy tovolahy iray 17 taona, niara-maty an-drano tetsy Ampasika, omaly tolakandro. Maty tamin’ny herin’ny omaly ny rahavavin-drenin’ity tovolahy maty ity (anabavin’ilay raim-pianakaviana) ary nalevina tamin’ny alarobia lasa teo. Niala loza ary nisasa teny amin’ny rano mandeha teny Ampasika ny fianakaviana, omaly tamin’ny 2 ora tolakandro. Nilomano tao anaty rano ny raim-pianakaviana (anadahin’ilay ramatoa vao nalevin’izy ireo) ka nilentika tao anaty rano. Nahita izany io tovolahy io ka nitsoraka tao anaty rano mba hamonjy ny dadatoany. Niara-nilentika tao anaty rano anefa izy mianaka, taorian’izay. Niezaka namonjy azy ireo ny fokonolona teny amin’ny manodidina ka nahafahana naka ny razana. Azo tao anaty rano izy mianaka. Tsy nisy aina intsony ilay raim-pianakaviana, raha toa ka mbola nihetsika kely kosa ny tongotr’ilay tovolahikely. Nentina novonjena haingana teny anivon’ny hopitaly HJRA Ampefiloha izy taorian’izay. Tsy tana intsony anefa ny ainy rehefa tonga teny an-toerana.

Mpikambana ao anatin’ny Zaza kanto

Mpikambana iray eo anivon’ny zaza kanto ity tovolahy maty ity, antsoina hoe: Thierry. Banga iray, noho izany, ity fikambanana ity. Anisan’ny nanohana sy nanolotra hira ho an’i Barea an’i Madagasikara ny Zaza Kanto, toy ny hira mitondra ny lohateny hoe: “Tsy mahalala menatra io ô”. Efa eny anivon’ny fianakaviana moa ny razana, omaly tolakandro ihany. Eny an-trano fonenany eny Ampitatafika ny nofo mangatsiakan’ilay tovolahy, mpikambana ao amin’ny Zaza kanto. Raha toa ka eny Isotry kosa ny nofo mangatsiakan’ilay raim-pianakaviana. Afindra eny amin’ny tranompokonolona kosa ny razana, amin’ny talata ho avy izao, amin’ny maha mpikambana azy ao amin’ny Zaza kanto.

Mino

Partager sur: