Tanjon’ny Base Toliara ny hisitrahan’ny mponina any ifotony ny vokatry ny fitrandrahana ataony. Anisan’izany ny famoronana asa.
Tany amin’ny 40 taona lasa tany no nisy orinasa indostrialy farany tany Toliara (Sumatex, Toly, orinasa manodina menaka, hasy, sns), saingy efa nikatona avokoa. Araka ny antontanisa, manodidina ny 3 000 ny fitambaran’ny isan’ny mpiasa ara-dalàna ao Toliara.
Nilaza ny tale jeneraly (DG) ny Base Toliara, Ramahefarivo Jean Bruno, ny herinandro lasa teo, fa maherin’ny 4 600 ny asa hiforona, ka asa mivantana ny 2 200 ary teratany malagasy ny 80%. Tena ilain’ny mponina sy ny tanora any an-toerana izany manoloana izao fahantrana lalina izao. Tanjona ny tena hisitrahin’ny mponina eny ifotony ny tombontsoan’ny tetikasa. Fitrandrahana ambanin’ny tany tomponandraikitra no hatao, sady mitandro ny tontolo iainana. Efa hita taratra ny fahombiazana tatsy Kenya sahanin’ny Base Resources, nahazoany loka iraisam-pirenena.
Maro ny fakan-kevitry ny vahoaka sady namaliana ny ahiahy samihafa natao tany amin’ireo kaominina voakasika mivantana. Nisy koa ny fifampiresahana matetika tamin’ireo manohitra ny tetikasa. Ao ireo mandà an-kitsirano fa maro lavitra ny manohana sy manaiky izay voarakitra an-tsoratra daholo hanajana ny mangarahara. Nitohy foana ny fifampiresahana tamin’ny mponina, ny tompon-tany sy/na fasana, ny Fiarahamonimpirenena, na nandritra ny 5 taona nihantonan’ny tetikasa aza.
2 ha amin’ny 4 000 ha no ampiasaina
Notsorin-dRamahefarivo Jean Bruno fa diso ny filazana na ny vaovao iniana ahely hoe tsy azo andehanan’ny daholobe ny morontsiraka Andaboy. Efa mazava ny anaty bokin’andraikitra fa ny 2 ha no ampiasain’ny Base Toliara, amin’ny velaran-tany 4 000 ha, hananganana fiantsonan’ny sambo hampiasainy.
Efa nohavaozina ny lalàna mifehy ny harena an-kibon’ny tany. Tsy maintsy mampiasa vola ho an’ny sosialy ny orinasa. Nampiakarina ny haba sy ny tamberim-bidy.
Njaka Andriantefiarinesy