Ny mihazakazaka tsy mba dia ary ny horakoraka tsy mba kalo. Ao anatin’ny fiatrehana fifaninanana goavana avokoa ny ankamaroan’ireo taranja isanisany. Araka izany, efa anatin’ny fanomanana avokoa ny tsirairay. Ny jafajafan-dia nefa fanaon’ny matanjaka, ny rodorodo famindra fanaon’ny mahery, fa ny lantolantom-pihetsika kosa an’ny manam-panahy. Samy manana ny fomba fanomanany azy tokoa ny tsirairay. Ao ny miditra mafy araka ny filazan’ny tanora azy. Ao ny tsy taitra tsy maika saingy ny tanjona iray ihany. Na izany aza, aleo maka miafina satria ny mahery tsy maody tsy mba ela fiaina. Ny feno rahateo tsy mba mikobana. Sarotra mantsy ny mifanandrina amin’ny be tsy miteny, manahirana ny miatrika fahavalo tsy mivolana. Tsotra kosa nefa ny mandavo azy ireny rehefa feno tsy mba mikobana ianao.
Mifanohitra amin’izany ny tapany mitopatopa. Matetika ny tsy misy apoaka ihany no be fambara. Ny vava ny azy no hoenti-miady ka toa zary lasa poakaty. Ny olon-kendry anefa tsy mba miebo. Fahita matetika ny fanambaran’ireny mpanazatra goavana any ampitan-dranomasina ireny. Rehefa anontaniana izy ireo aorian’ny fandresena azony, fambarany matetika ny hoe mahay ireo mpifanandrina aminy fa nitongilana tany amin’izy ireo fotsiny ny vintana. Tsy mba mametraka ny tenany ho ambony na rainiazy satria ny feno tsy mba mikobana.
Na inona na inoa vokatra azo, ny olon-kendry manadihady. Manao dian-tana ka todihina ny afara, tsinjovina ny aloha. Manadihady sy mamakafaka fa tsy mijanona amin’izay efa vita. Aleo mantsy tratra ela, toy izay tsy mitondra mody, aleo miadan-ko reniny toy izay mirotoroto ho vantony. Ny feno manko tsy mba mikobana.
Tompondaka