Fiadiadiana ny Repoblika sy ny fikambanana Dawoodi Bohra : Nanolotra fanampiana ho an’ireo voafonja

Nanolotra fanampiana ara-tsakafo ho an’ireo voafonja etsy Antanimora, ny sabo­tsy 05 avrily 2025 teo, ny sampandraharaha misahana ny sosialy eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika. Ni­tarika ny hetsika, teny an-toerana, ny tale Amidjee Raha­rinoro Roumana, sy ireo mpiara-miombon’antoka, mpikambana eo anivon’ ny Communauté Borha eto Mada­gasikara

Tafiditra ao anatin’ny famaranana ny volana ramadany izao hetsika izao. Manaraka ny foto-kevitry ny finoana silamo mizara sy miara-paly amin’ny mpiara-belona. Anisan’ireo marefo sy mila tohana ara-tsakafo ireo voafonja ka antony nisafidianana manokana azy ireo hisitraka ny fanomezana, raha ny fanazavana voaray. Nahitana vary 40 gony amin’ny 50 kilao sy menaka 140 litatra, macaroni 250 kilao ary sakafo fanampiny, ny tolotra tamin’izany. Tanjona ny hijerena ny maha olona sy hanasoavana ny mpiara-belona, araka ny Politika ankapoben’ny fanjakana, izay tarihin’ny filohan’ny Repoblika, Rajoe­lina Andry. Nahazo toromarika ny talen’ny sampandraharahan’ny Asa sosialy eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika hidina ifotony, nijery ireo voafonja sy nanolotra fanampiana ho azy ireo.

5 000 mahery ireo voafonja etsy Antanimora

Maherin’ny 5 000 ireo voafonja etsy Antanimora. Mitsin­jara amin’ny kartie samihafa ny lahy sy ny vavy ary ireo ankizy tsy ampy taona. Nambaran’ny tale jeneralin’ny fandraharahan’ny fonja eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsa­rana, Volazara Sakina Mohamady, fa manokana teti-bola hamatsiana sakafo ny voafonja ny fanjakana. Mihi­nana sakafo tsy miovaova ireo voafonja ireo, raha ny zava-misy. Anisan’izany ny fihinanana vary, ny voamaina ary ny mangahazo. Manampy betsaka ireo voafonja ireo ny fanampiana tahaka izao satria ahafahana manatsara ny kalitaon’ny sakafo hohaniny. Mba hahatrarana ny kaloria ilain’izy ireo isan’andro sy manaja ny “diète carcérale” eo amin’ny tsirairay. Ilaina hatrany ny fihinanana ny sakafo miovaova sy maro karazana ary amin’ny lokony maro.

Fotodrafitrasa hizarana ireo voafonja

“Efa tsy araka ny fetra tokony ho zakany intsony ny fonja etsy Antanimora mandray ireo voafonja 5 000 ireo”, hoy izy ireo nanazava teny an-toerana. Efa nametraka fotodrafitrasa hanapariahana azy ireo ny fanjakana, raha ny fanazavana voaray. Ha­tramin’­ izao, mahatratra sivy ny fonja efa naorin’ny fitondram-panjakana, telo ny “Maison de force”, enina ny “Maison centrale. Ho an’ny eny Ambo­hidrabiby Avara­drano manokana, efa mamindra tsikelikely ireo voafonja ny tomponandraikitra.
Ny kartie natokana ho an’ny vehivavy, izay ahitana voafonja 800. Efa nanaovana fanentanana ny hamindrana ireo manana fianakaviana akaiky eny. Ny fonjan’ny Manjakandrina, efa vita ny fandraisana vonjimaika ny fotodrafitrasa ary afaka mandray vehivavy manodidina ny 480 io toerana io.

Hetsika maneho fifankatiavana

Maneho fihetsika fifankatiavana sy firaisankina amin’ireo voafonja ny fikambanana Dawoodi Bohra, tarihin’i Ibrahim Mourtaza. Manana andraikitra amin’ny fanohanana ireo voafonja ireo ny fikambanana amin’ny alalan’ny asa sosialy izao, araka ny fampianarana nampitain’ny mpitarika ara-panahy ny fikambanana Dawoodi Bohra, Syedna Mufaddal Saifudin. “Manan-danja ny olombelona tsirairay na voafonja aza, ary ny fanomezana sakafo dia anisan’ny filana fototra amin’ny maha olombelona”, hoy izy. Efa niara-niasa tamin’ny fanjakana hatramin’izay ny fikambanana raha tsiahivina. Nisongadina ny hetsika famatsiana sakafo ireo traboina teny Anosizato, nandritra ny fiakaran’ny rano farany teo.

Nanatontosa : Mino

Partager sur: