Nambaran’ny kaomandin’ny vondron-tobim-pileovan’ny zandarimaria ao Vakinankaratra, ny Kly Randriampeno Sammy, fa azo ihorianana ny fandriampahalemana any an-toerana. Anisan’izany ny any amin’ny distrikan’i Mandoto. Efa voafehy izany izao. “Mitady hahazo vahana kosa anefa ny fitsaram-bahoaka sy ny fanolanana. Efa nomena baiko ireo zandary mba hanao fanentanana sy hampianatra ireo vahoaka any ifotony manoloana ireo tsy fanarahan-dalana ireo”, hoy izy. Natsidiny sahady ny ho fiatrehana ny fetin’ny paka ka hametrahana fepetra matipaika izany ho fitandroana ny filaminana eny an-dalana sy ho fisorohana ny lozam-pifamoivoizana.
Tsiahivina fa anisan’ny nanamarika ny “Andron’ny zandary” koa ny tao Vakinankaratra. Nisy ireo nosalorana mariboninahitra, ireo nahavita be teo anivoan’ny zandary sy ny avy amin’ny sivily. Teo koa ireo nahazo ny « Officier et Chevalier de l’ordre national ». Manampy izany ny fanaovam-beloma ireo zandary nahavita ny adidy aman’andraikiny napetraky ny vahoaka taminy ka nisaorana azy ireo. Io ilay antsoina hoe « Adieu au arles ». Teo koa ny fitokanana ireo fotodrafitrasa vaovao sy nohavaozina. Anisan’izany ny vavahady miditra ao amin’ny “Groupement” ao Vakinankaratra sy ny fitokanana ireo toerana hafa.
Synèse R.