Praiminisitra Ntsay Christian : “Tsy handeferana ny tsy fandriampahalemana”

Hentitra ny Praiministra Ntsay Christian, tany Toamasina, ny faran’ny herinandro teo. Notsindriny mafy ny momba ny tsy filaminana sy tsy fandriampahalemana.

“Nisy ny fivorian’ny OMC nasionaly, ni­jery manokana ny momba ny filaminana sy ny fandriampahalemana eto an-tampon-tanànan’i Toamasina I sy ny manodidina.” hoy ny Praiminisitra Ntsay Christian, ny amin’ny fivorian’ny OMC Nat notarihiny tany Toama­sina, ny faran’ny herinandro teo. Niaraka taminy ireo minisitra fito eo anivon’ny governemanta, nijery ifotony ny amin’ny tsy fandriampahalemana any an-toerana. Teo ny minisitry ny Foloalindahy, ny minisitry ny Fitsarana, ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany, ny minisitryAtitany, ny minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny minisitry ny Asa vaventy mpiahy ny faritra Atsinanana, ny minisitra delege misahana ny Zandarimariam-pirenena. Teo koa ny olom-boatendry sy olom-boafidy, tomponandraikitra miaramila sy sivily…
“Nojerena izay tena olana misy. Tsy handeferana”, hoy izy. Niara-nandinika sy noje­rena ny vahaolana, indrindra koa ny hoe: inona no ahazoana tena miady amin’ny tsy filaminana sy tsy fandriampahalemana? Nisy ny fanapahan-kevitra maharitra noraisina. Ny tomponandraikitra rehetra ao anatin’ny OMC eo anivon’ ny faritra no tsy maintsy ma­na­tanteraka izay andraikitra izay.

Hiaina an-kalalahana

Ny irariana dia hiverina amin’ny tena filaminana sy fandriampahalemana ny fiainan’ny mponina. Mba hiasa hanao izay andrasana aminy avokoa ireo tomponandraikitra rehetra amin’izany. Mba hiahiana ny fiainan’ny vahoaka ao Toamasina izany. Ankoatra izay, ahazoana mandamina ny ao anatin’ny fitondram-panjakana, indrindra ny rantsamangaikan’ny fanjakana any amin’ny faritra, koa ny fivoriana. Misy ny fandaminana vaovao amin’izany. Mba hahatomombana bebe kokoa ny famerenana ny filaminana sy ny fandriampahalemana any an-toerana.

R. Nd.

Partager sur: