Manana ny akony lehibe eo amin’ny tontolon’ny hira malagasy ny “Feo roa tafaray”.
Fiakaran-tsehatr’i Henri Ratsimbazafy sy i Salomon…
“Raiben’ny kanto malagasy”. Io ilay anarana nasalotra an’i Salomon sy i Henri Ratsimbazafy, raha nanatanteraka ilay seho “Feo roa tafaray”, omaly tolakandro, tetsy amin’ny CCEsca Antanimena. Noporofoin-dry zareo tokoa izany. Feo anisan’ny miavaka eo amin’ny samy mpanakanto ny azy mirahalahy. Mbola voatazon’i Salomon sy Henri Ratsimbazafy izany. Tsy nanam-piovana ny feo. Tononkira, tadidy sy tafaraka tsara amin’ny gadon-kira… Anisan’ny nampiaiky ny mpijery tonga marobe teny an-toerana ny nampahatsiahivan’i Henri Ratsimbazafy ny tantaran’ny hira tsirairay. Mialoha ny hihirany, omeny ny mpijery ny antony na ny tranga nisy ka nahatonga azy hamorona ilay hira… Tsy sakana ho an’i Salomon sy Henri Ratsimbazafy, tamin’ny fampitana ny tsara indrindra avy any amin-dry zareo, ny vesatry ny taona. Seho sarotra hadinoina!
Somary nanatombo ny olon-dehibe
Amin’ny ankapobeny, somary nanatombo kokoa ny isan’ny olon-dehibe nijery ny “Feo roa tafaray”, raha oharina tamin’ny isan’ny tanora. Na izany aza, tsikaritra teny an-toerana fa hain’ny tanora ny hiran’ireto “Raiben’ny kanto” ireto. Ny hira tsirairay, saika, narahin’izy ireo avokoa. Fihetsika mbola manamarina sy mametraka hatrany fa seho sarotra hadinoina ity tetsy amin’ny CCEsca, omaly, ity. Nifanaraka sy tsara rindra tokoa ny feon’ny tanora sy ny olon-dehibe teny an-toerana.
Tsikaritra ho nitondra tsiahy goavana be ho an’ny olon-dehibe, ireo hira rehetra niala avy eny amin’ny sehatra. Vao mainka nampitombo ny fitiavana ny hiran’ny omaly sy ny kalon’ny fahiny teo amin’ny tanora ihany koa izany… Ho an’ireo sokajin-taona roa smihafa ireo, seho sarotra hadinoina ny “Feo roa tafaray”. Marihina fa tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoanan’ny LH Pro ny hitondra ity seho ity any Paris, amin’ny volana jona izao.
HaRy Razafindrakoto