Noraisin’ny filohan’ny Repoblika Rajoelina Andry tao amin’ny Lapan’Ambohitsirohitra, ny zoma lasa teo, ny solontenan’ny fianakaviana Kamamy. Misolo tena ny taranaka mivantan’ny Ampanjaka Toera sy ireo olom-boafidy avy any amin’ny faritr’i Menabe izy ireo. Mba hahafahana mandamina ny fomba fandraisana ny kabeson’ny Ampanjaka Toera. Atao makotrokotroka ny fandraisana azy io satria mahery fon’i Madagasikara.
Nanomboka ny sabotsy 5 avrily lasa teo, nanao fampirantiana mahakasika ny rano ny tetsy amin’ny Musée de la Photographie. Nisokatra ho an’ny rehetra ny hetsika hanomezan-danja ny rano. Loharano tena ilaina amin’ny fiainan’ny olombelona ity singa nampirantina ity, fitaratry ny finoan’ny razana ary fitahirizana fahatsiarovana eo amin’ny olona ihany koa. Antoky ny fivoaran’ny tontolo iainana ihany koa izy io.
Nahasarika olona maro ny fijerena hiragasy tetsy amin’ny Kianjan’ny Hiragasy Ampefiloha omaly. Hiragasy nifanandrinan’ny tariky Ramaroson Amparihimanga sy Rafarasimanga Ambohimandroso. Nanomboka tamin’ny 10 ora maraina ny fihaonana. Nahasarika mpanatrika maro, izay tsy nifidy taona sy saranga. Mbola velona sy ao am-pon’ny Malagasy hatrany ny fankafizana ny fijerena ny hiragasy.
Nafana ny seho niarahan’ny mpankafy sy ny tarika Mage 4 omaly tolakandro. Fampisehoana natao tetsy amin’ny Kianja malalaky ny Ekar LCO Namehana. Hetsika nokarakarain’ny Ekar Distrika Md Luigi Orione Namehana. Entina hampandrosoana ny fiangonana sy hanatsarana ny fotodrafitrasa any an-toerana ny hetsika. Tazana hatrany ilay fahaiza-miseho sehatra ho an’ity tarika manana ny maha izy azy ity.