Notanterahina omaly, teny amin’ny Kianja zaridainan’Ikopa Anosizato, ny lalao manasa-dalan’ny fifaninanana inter-fokontany, izay karakarain’ny solombavambahoakan’ny boriborintany fahefatra, Rafidimanana Désiré, na fantatry ny rehetra amin’ny anarana hoe député Fidy. Tafita hiatrika ny famaranana amin’izany ny ekipa avy any Ambohibarikely sy ny avy etsy Madera Namontana. Araka ny vokatra azo omaly, lavon’ny mpilalaon’Ambohibarikely, tamin’ny fandakana “tir au but”, 3 no ho 2, ny ekipa voafantin’i Fiadanana III. Nandresy an’i Soanierana tamin’ny isa tokana, 1 no ho 0, ny Madera Namontana. Tanjon’ity hetsika ity ny hampivoarana ny baolina kitra eny ifotony sy hitaizana ny tanora anaty fanatanjahantena. Tsara ny mampahafantatra fa tolorana vola sy omby mifahy ary kalisy izay mivoaka ho mpandresy amin’ity fifaninanana andiany voalohany ity.
F.R