TSELATRA

Lehilahy lehibe iray 55 taona nosamborin’ny polisy avy ao amin’ny kaomisaria Ambohijatovo, ny sabotsy vao maraina, tamin’ny 04ora. Tratra teo am-pamakiana trano teny Ambohitsoa izy io. Nahatsikaritra lehilahy iray mampiahiahy tao amin’ny tokantrano iray tetsy Ambohitsoa ny vaomieran’ny fandriampahalemana. Tonga teny an-toerana ny polisim-pirenena taorian’ny antso.
Lavon’ny balan’ny polisy ny alin’ny 03 avrily 2025, tetsy Analakely, ny jiolahy iray antsoina hoe Koukou. Hikoizana amin’ny fanendahana sy fanafihana mitam-piadiana izy io. Antso avy amin’olona tsara sitrapo no nahafantarana sy nahafahana nisambotra ity olon-dratsy ity. Nidina ifotony teny Ankazomanga ny polisy avy ao amin’ny Sag, manao fanamiana sivily. Nitari-dositra izy ireo vantany vao nahita ny mpitandro filaminana ka nifanenjehana.

Partager sur: