Vakinankaratra : Hirosoana ny famatsian-drano fisotro madio

Vita ny fanadihadihana savaranonando ahafahana miroso amin’ny asa rehetra ho fanavaozana sy fanatsarana ny fampisitrahana rano fisotro madio izay voasokajy ao anatin’ny tetikasa PAAEP ho an’ ny faritra Vakinankaratra. Din­gana sy fidinana ifotony maro tamin’ireo toerana voakasika no natao ka nampahafantarina sy nanaovana tatitra tamin’ ireo tomponandraikitra eny ifotony sy ireo rantsamangaika tamin’ny famelabela­rana ma­hakasika ny fanatsarana ny tambajotra ny rano. Misy koa ireo fotodrafitrasa tsy maintsy haorina ho fanamafisana izany.
Vola mitentina 87 miliara Ar ny tomban’ny tetikasa, araka ny tatitra nataon’ny vondrona “Artelia” niandraikitra ny fitsirihana savaranonando. “Goa­vana ny asa miandry ka ani­sany ny fanitarana ny fama­tsiana rano amin’ny toerana tsy mbola misy izany, ny fa­namboarana fotodrafitrasa isan-karazany ary ny fano­vana fantsona. Ny toby fa­mantsian-drano kosa dia ao An­draikiba, Andohanambolo, Marofan­gady, Jiromena”, hoy ny fanazavana.
Miara-manatanteraka ny tetikasam-panjakana ny minisiteran’ny Rano, fidiovana sy fanadiovana, sy ny Jirama. Raha mamatsy vola izany ny Banky iraisam-pirenena. Na­natrika ny fivoriana fizarana ny valin’ny fanadihadiana ny tale jeneraly misahana ny rano ao amin’ny minisiteran’
ny Rano, Mara Heriniaina Romuald, ny solontena avy ao amin’ny mpamatsy vola ary ny talen’ny fotodrafitrasa sy ny tontolo iainana ao amin’ny fiadidiana ny faritra Vakinan­ka­ratra, Heri­lala Emmanuel Hasina.

Vonjy

Partager sur: