Mitaraina manoloana ny fiakaran’ny vidin’ny solika fandrehitra ireo mampiasa izany. Voatery mampihena ny vokatra jifainy ireo mpividy. Ao koa ireo nisafidy hanajanona tanteraka izany ka hiverina hampiasa ny arina fandrehitra, izay tsy mitsaha-miakatra isan-taona sy mamotika ny tontolo iainana.
Mitentina 8 tapitrisa dolara ny tetibola ilain’i Madagascar Airlines ho an’ny fampitaovana sy hanamboarana ireo kojakojam-piaramanidina hisorohana ny olana ara-teknika samihafa. Ny taona 2024, nisitraka milina roa sy « train d’atterrissage de secours » ny kaompania. Andrasana ny volana jolay kosa reo fitaovana ampiasana sy hifameno amin’izany.
Azo trandrahina sy ahodina ho tonga fitaovana azo ampiasaina ny fako. Napetraka ny paikady entina hisorohana ny fiparitahany sy ho fitsinjovana ny fahadiovan’ny tontolo iainana. Naranty nandritra ny fankalazana ny « Festival zéro déchet » tao Antsirabe ireo vokatra azo tamin’ny fanodidina ny fako ao an-toerana ireo.
Nitombo enina isan-kerinandro ny sidina ataon’ny kaompania Emirates mampitohy an’i Dubai sy Antananarivo, nanomboka ny alarobia teo. Porofo izao fa mahasarika ny teratany vahiny i Madagasikara. Betsaka ihany koa ny fangatahana voarain’ny kaompania Emirates hampifandray ny Nosy malagasy amin’ireo firenena hafa.