Vidin-tsolika : Niakatra 200 Ar, ho an’ny solika fandrehitra

Tsy niova ny vidin’ny lasantsy sy ny gazoala. Nija­nona toy ny tamin’ny volana marsa ny vidin’izany amin’ity volana avrily ity. Izany hoe, 5 320Ar/l ny vidin’ny lasantsy (SP 95) ary 4 970Ar/l kosa ny gazoala. Ho an’ny solika fandrehitra, niakatra 3 030Ar/l ny vidiny mihatra nanomboka ny sabotsy teo sy mandritra ny volana avrily, raha ny navoakan’ny ny Ofisim-pirenena momba ny akoranafo (OMH) raha toa ka vidina 2 830Ar/l izany ny volana marsa teo. Izany hoe, nahitam-piakarana 200 Ar (+7,1%) tamin’ny vidiny teo aloha ny vidiny ho amin’ity volana ity. « Mbola latsaky ny 600 Ar amin’ny vidiny tena izy (vérité de prix) ny vidin’ny solika fandrehitra », hoy ny tale jeneraly mpisolo toe­ran’ny OMH, Raveloson Cy­dolain, nandritra ny valandresaka nataony tamin’ny mpanao gazety, ny sabotsy teo.
Fampiharana fahefatra ny fiovan’ny vidin-tsolika izay faritan’ny didim-panjakana laharana 2025-045, tamin’ny 17 janoary 2025, ny amin’ity volana avrily ity. Noho izany, mila mizatra amin’ny fiovan’ny vidin-tsolika ny mpanjifa. Na izany, “malalaka ny safidy amin’ny fampiakarana na tsia ny vidin-tsolika ho an’ireo toby mpaninjara izany (station-service) izay any amin’ny toerana mihoatra ny 15 km miala ny toby fitahirizan-tsolika (dépôt pétrolier)”, hoy hatrany ny fanazavana voaray.

Henintsoa Hani

Partager sur: