Ady amin’ny jono tsy ara-dalàna: Natsangana ny drafitrasam- pirenena 2025-2029

Tafapetraka ny Drafitasam-pirenena ataon’i Madagasikara amin’ny ady amin’ny jono tsy manara-dalàna, tsy voafehin-dalàna (pêche INN) ho an’ny dimy taona manaraka (2025-2029). Hanohana antsika amin’ny fanatanterahana ny asa rehetra ny Sadc.

Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ny Drafitrasam-pirenena amin’ny ady amin’ny jono tsy manara-dalàna, tsy voambara, ary tsy voafehin-dalàna (Pan INN) eto Mada­gasikara, 2025-2029. Ho hita ao anatiny avokoa ireo zavatra mila hatsaraina rehetra. Eo ihany koa ny hoavin’i Madaga­sikara manoloana ny fitaovana ampiasaina. Mila haseho fa vonona hiatrika ireo fanamby samihafa aty amin’ny faritra isika, iaraha amin’ireo mpiara-miombon’antoka. « Tafiditra ao anatin’ny Pan INN ny fampitomboana ireo sambo ampiasain’ny Centre de surveillance de pêche (CSP) hanaraha-maso ny sisin-dranomasin’i Madagasikara. Talohan’ny taona 2021, miisa roa monja ny sambo nampiasaintsika. Ankehitriny, 23 izany ary mbola hiampy roa hafa », hoy ny minisitry ny Jono sy ny toekarena manga, Mahatante Paubert. Mitentina 1 miliara Ar ny vola ampiasaina hividianana solika entina manao ny asa izay hotantanin’ny CSP.
Notsindrin’ny minisitra fa tokony hampitomboina hatrany amin’ny 100 ny isan’ireo mpanara-maso ny jono (inspecteur de pêche) raha toa ka miisa 40 izany amin’izao. Tokony hahitana ireo tomponandraikitra ireo ny sisin-dranomasina manerana ny Nosy.
Mifanome tanana amin’ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga amin’ny hetsika ataony ny minisitera fito eo anivon’ny governemanta. Manohana an’i Madagasikara amin’izany koa ny « Monitoring control and surveillance coordination centre » (MC SCC) iarahana amin’ny Sadc. « Hanampy an’i Madagasikara amin’ny fanatanterahana ny asa rehetra izahay », hoy ny solontenan’ny Sadc, Alexander Kefi. Manohana antsika ny WWF. Marihina fa mahatratra hatrany amin’ny 24 miliara dolara ny vola very ho an’ny « pêche INN » maneran-tany. 1,2 miliara dolara izany aty Afrika, raha eo anelanelan’ny 800-900 tapitrisa dolara izany aty Afrika atsimon’i Sahara. Manodidina ny 500 tapitrisa dolara kosa izany aty amin’ny Sadc, raha ny tarehimarika na­voakan’ny FAO, ny taona 2018.

Henintsoa Hani

Partager sur: